Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DE0B936-750D-48CC-8615-AB8B7361274C
2
Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B43353DC-4D68-421B-930D-E8F82BDB6578
3
Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A2B1CCC-C92F-4686-9A4E-E97A0858205C
4
Ary izao no anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|902F3FCA-783F-421E-A073-E541A5107006
5
avy tamin'ny firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE3937B1-0D0D-4889-A472-B3FF9E1602C2
6
avy tamin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3243BD89-12BF-40CE-94CE-BA6F3A9491AF
7
avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43A8598F-21AA-45E8-85A3-B0A0973D6FCA
8
avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CEE5D04-9516-4CF1-99AC-B1AF4CE69593
9
avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|568E2E0E-AF6F-4782-B3F2-DC5BFA91063D
10
avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DD1A899-5C4B-4F17-B8BE-17C1DB416DE9
11
avy tamin'ny firenen'i Josefa dia Manase, zanak'i Gady;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10327F51-8214-4949-808F-F8B5136285B3
12
avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BCFFA03-1188-4801-B9CF-6FA8D763EE0D
13
avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE534406-BD85-4346-89B1-2792AB57B781
14
avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C54853BF-3924-4AFA-B32F-1E5AFE0A6DF1
15
avy tamin'ny firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06513ED2-7454-4BCB-862F-0FD75E21784F
16
Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A462D430-B300-475E-B347-6862C9CF2441
17
Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara aty amin'ny tany atsimo hianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D50676C6-2102-41D2-8859-DDB524965B7B
18
dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D090779B-3CD1-4538-99EF-5A879C6BA703
19
ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|452AD3DB-1A8B-482F-9444-F1DFF35618EB
20
ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza hianareo, ka itondray vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialintaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|299E224F-AE36-47C7-B58F-726E63CD1790
21
Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i Hamata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FD92D65-B47C-4985-9A95-6B5D72265B3E
22
Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DE9920A-92AB-4224-BA5A-88C0B4E59E1B
23
Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampahom-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongabendanitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16336A9A-0F34-4D93-ACD9-59BE2F1AEB81
24
Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola,[Eskola = Sampaho.] noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A497C425-5C0C-4B56-B885-8C644434C6D9
25
Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BFDF812-DD40-4676-8FBA-A494CECD508B
26
Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy; dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1A6235A-0476-40DF-8CF5-9FE7277B5868
27
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony ny vokatra avy tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|216D4412-4C90-456F-91E1-32B02240C49F
28
Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68765BF0-1E71-4802-88A8-82B6A1C78129
29
Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED89BBA7-1813-41D3-878B-0AC844DE2ED9
30
Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E652FFB6-94DB-469D-8C04-23FCA91E9BFC
31
Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|562D2AB4-DF08-4590-9D7C-87CF938F6988
32
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1AE18C3-FE9C-4915-844E-E05F4C0E75CC
33
ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22088788-C3E0-48EC-A600-AE5907BF0E91
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany