Andininy
Protestanta Malagasy
27
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony ny vokatra avy tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|216D4412-4C90-456F-91E1-32B02240C49F
28
Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68765BF0-1E71-4802-88A8-82B6A1C78129
29
Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED89BBA7-1813-41D3-878B-0AC844DE2ED9
30
Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E652FFB6-94DB-469D-8C04-23FCA91E9BFC
31
Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|562D2AB4-DF08-4590-9D7C-87CF938F6988
32
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1AE18C3-FE9C-4915-844E-E05F4C0E75CC
33
ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22088788-C3E0-48EC-A600-AE5907BF0E91
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany