Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00A27E1E-9804-439F-BC4F-535D5192DDA7
2
Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy: Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty taty amin'ity efitra ity!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52618E2D-F6FB-4AAD-A6F2-CC23547B8A37
3
Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E966708-7E8D-429F-9D61-F747579703AB
4
Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|044AA208-0517-4D07-9013-04B1B1E0D201
5
Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EABB4F4-548A-434B-ABD8-1FACE25B27A6
6
Ary Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E2DC658-678A-4342-A9EA-FE23F33F8D63
7
ary niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ECCC0D9-5893-4500-9697-88681319E362
8
Raha sitrak'i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B06EDFE2-4AB8-42DB-91D7-4020982ABDA7
9
Fa aza miodina amin'i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CE13201-585B-441B-895A-2298A10E8850
10
Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9E6245A-3E4E-4A15-971D-BC1D687E3ACA
11
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82B60641-DCA9-490A-939A-29C6DC8206B9
12
Hamely azy amin'ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BFDBEDA-38E7-4610-915B-F4BB20A0E068
13
Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DD3CEC9-C2DA-4436-9CE2-AF745EF27138
14
ary holazainy amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; fa efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3516432-B0CA-48F0-9A85-98CAEB7986CA
15
Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny amin'ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D1310CE-FA7B-4CA0-B1B1-1256F7242016
16
Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6169585-0DFB-43CA-BE8E-C247A22882E6
17
Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64BD9D8E-91C5-4E89-9E91-564291B093D4
18
Mahari-po Jehovah sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafin-dohalika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6B650FF-A867-4E62-8AD3-4B416C54BAA0
19
Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindramponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B389F66-4227-4D70-90DB-E60CCD4097BC
20
Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|723A5B59-4760-4B65-9063-3C8F52733AB4
21
Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88BD2478-6E24-4F39-9F21-F655A961F089
22
ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao impolo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19E4395C-6E71-42F7-B39C-6E83E02BC951
23
dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66E9A16B-58C6-4F3E-B8C1-48079AA3F53D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany