Andininy
Protestanta Malagasy
13
Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DD3CEC9-C2DA-4436-9CE2-AF745EF27138
14
ary holazainy amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; fa efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3516432-B0CA-48F0-9A85-98CAEB7986CA
15
Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny amin'ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D1310CE-FA7B-4CA0-B1B1-1256F7242016
16
Satria tsy zakan'i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6169585-0DFB-43CA-BE8E-C247A22882E6
17
Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64BD9D8E-91C5-4E89-9E91-564291B093D4
18
Mahari-po Jehovah sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafin-dohalika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6B650FF-A867-4E62-8AD3-4B416C54BAA0
19
Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindramponao, sy araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B389F66-4227-4D70-90DB-E60CCD4097BC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany