Andininy
Protestanta Malagasy
39
Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra tery ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3612630F-46A8-435E-96DC-554439089370
40
Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|482E7CC6-E978-4112-A40A-E0A466AAB9E9
41
Dia hoy Mosesy: Nahoana no mbola mandika ny didin'i Jehovah hianareo? fa tsy hambinina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4678B45-52C5-401A-A71B-31086CAC8A8B
42
Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D05765FF-2B6F-42DA-928D-6BB7001724F5
43
fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo hianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra hianareo; satria niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah hianareo, dia tsy homba anareo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C0E28F1-4A95-4F52-B3A6-A7E878AFF839
44
Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB539B1E-4B55-4A1B-BD82-34F1DD7CA07B
45
Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDE01614-6FCF-4303-8E99-9F263A02E510
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany