Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Kora, zanak'i Jizara, zanak'i Kehata, zanak'i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, sy Ona, zanak'i Peleta, izay samy taranak'i Robena, dia nandrendri-bahoaka,[Heb. naka.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC3E5A92-B097-40E0-86DE-8FBCC34EB954
2
ka nitsangana teo anatrehan'i Mosesy izy ireo sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan'ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady nanan-daza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EB59AB9-81C7-4245-8FF6-034AA23B7D50
3
koa niangona hiodina amin'i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay hianareo! fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'i Jehovah hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81901EA2-444D-4A7C-8B60-39BB64854150
4
Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8793B0F4-5AD3-4D12-94B5-1942C887B088
5
ka niteny tamin'i Kora sy ny namany[Heb. fiangonany.] rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah izay Azy sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3324E85E-D893-4496-9ACF-24F21B934C98
6
Izao no ataovy ry Kora sy hianareo namany[Heb. fiangonany.] rehetra: Makà fitondran-afo ho anareo rahampitso
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDEA21D7-FB59-4758-9F17-74F02F5A889D
7
dia asio aro eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay hianareo, ry taranak'i Levy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|798F7888-5D64-4559-AB04-8BD133D842D4
8
Dia hoy koa Mosesy tamin'i Kora: Henoy, ry taranak'i Levy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF3A04D8-AC12-41ED-9608-A7D0D2F5AE85
9
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny fiangonan'ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana mombany tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan'ny fiangonana hanompo azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68984358-B388-4B83-A32A-3630F89F4C41
10
Dia nampanakekeny Azy hianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEC8AD42-4ED4-4285-A79F-E36A89D950F4
11
Ary noho izany hianao sy ny namanao[Heb. fiangonanao.] rehetra dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3698A1B2-25AB-4296-A60F-0A0E3CBCFF26
12
Ary Mosesy naniraka nampaka an'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93B4604E-3C41-4372-B2C7-FFFA4B029620
13
Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay aty an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6900D3A-53E1-456A-8D37-DFE0161F47F8
14
Ary koa, hianao tsy nitondra anay ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanimboaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason'ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2785B636-64D5-4ECD-B84F-91A63540DB41
15
Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin'i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin'ny anankiray aminy akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|630BA874-6C5E-430A-A5C0-3B4EC0BA0C4A
16
Dia hoy Mosesy tamin'i Kora: Aoka hianao sy ny namanao[Heb. fiangonanao.] rehetra ho tonga eo anatrehan'i Jehovah rahampitso, dia hianao sy ireo ary Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BA11842-2798-4F85-88D4-F4FCB1B3A359
17
Ary samia maka ny fitondran-afony avy hianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondra-afony avy hianareo rehetra ho eo anatrehan'i Jehovah, dia fitondran-afo dimam-polo amby roan-jato; dia hianao sy Arona samy hitondra ny fitondran-afony avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABD72C7A-013C-4875-B551-08989F343925
18
Ary samy naka ny fitondran-afony avy izay rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FF7975B-1415-4ED6-A2CD-98CEF9596236
19
Ary Kora nanangona ny namany[Heb. fiangonany.] rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E09D735-6955-4F46-86D5-8C57551D1F8B
20
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D822B60C-A565-44A7-ADDF-780DE799F55D
21
Mihataha amin'ity fiangonana ity hianareo handringanako azy amin'ny indray mipì-maso monja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E867FC5F-AC6B-4F73-A59E-DFC02F23BB29
22
Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1059C27A-16D0-43A9-B501-64CC78DC05E2
23
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2270E953-0505-4C31-8D68-8E2DDD3DF7AF
24
Mitenena amin'ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0918DB26-1E57-4073-ACF0-BB347073A413
25
Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2DD56E5-2407-42AC-86E7-317C92A04EFE
26
Dia niteny tamin'ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin'ny lain'ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa hianareo noho ny fahotany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95D55BC4-4430-459A-917A-3E7FF70D3B54
27
Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny vadiny sy ny zanani-lahy ary ny zanany madinika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A3243D1-252C-41F1-B648-4B9942285265
28
Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin'ny saiko izany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00F44CE2-BC53-451C-87E7-216F9BD5EE2F
29
Raha maty toy ny fahafatin'ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F05C1F3-CFCB-4A5C-A5CF-06AA204E0679
30
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita[Heb. Sheola.] izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6AAC0F2-7175-46B6-9E53-0D9E1C6D7864
31
Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FC7493B-56DF-40B3-A1D5-A8E61377C954
32
eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94A88F38-3945-4A46-8CF1-AA5599C8E00B
33
Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita[Heb. Sheola.] izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23AADC06-A927-4E98-844D-B86C6AF20515
34
Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B740A27-011A-4D11-AC51-33858B835F96
35
Ary nisy afo nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|759F5A33-072C-4C79-85BB-F3058612BE09
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany