Andininy
Protestanta Malagasy
21
Ary indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|526279AC-84FA-41A2-B718-48E42AED5BBD
22
Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak'Isiraely, fandrao meloka izy ka maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|559303DA-A408-410B-8B50-50FC1AE45C51
23
Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra[Na: hanaisotra] ny helony; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55F1DD52-CCC5-48B0-8393-81D83D633CF0
24
Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7506D8B9-5530-405E-A459-EB9FBA0BB9E5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany