Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny volana voalohany dia tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2F67A94-5D08-4FF9-8B7E-FFECD236158B
2
Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28D96611-4DF4-4860-9855-2A314FBF683E
3
Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E1DCA2F-3122-4DB0-AA43-15E444EA7B4C
4
Fa nahoana no nitondra ity fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity hianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|152B33CB-1DE3-4021-B142-B4582DD15DB6
5
Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta hianareo, hampiditra anay ho amin'ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra akora, sady tsy misy rano hosotroina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F77EE852-C5DA-42BB-AB2F-8EE596611EA4
6
Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|985156AE-1240-47F9-831C-28725529E274
7
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E841AD5-072A-4E92-B5AC-5730CEE0B95C
8
Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny vatolampy hianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E610642-28B8-4322-AD01-A7D9F46D8158
9
Dia nalain'i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F1D63B5-9BDC-40C6-91C8-0D88A24C1F0C
10
Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahany rano ho anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C78C7908-A786-4797-875F-2D4246350C01
11
Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE568D95-E11C-4EB6-9BBA-D8E623EDB9DB
12
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy hianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0147382-9DA8-483C-B68E-0E8157E4FBBD
13
Ity no ranon'i Meriba,[Meriba = Ady.] izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah ho masina tamin'ny nataony taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED14A8A0-DBA2-4331-9113-0C3EABE0228A
14
Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4060E3DB-13D4-48D0-968E-43FE270F8BE9
15
dia ny nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny nitoerany ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7116AD8-8C27-46B4-8779-6926D57A99DE
16
ary raha nitaraina tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin'ny faritry ny taninao, izahay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E667164D-234F-44A5-971B-4B975AE04F54
17
koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanimboaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny làlan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D1891A3-04B8-4477-8DCD-1FAE3B16E541
18
Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko hianao, fandrao mivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C13CD409-7481-4247-990B-09D4011A8159
19
Dia hoy ny Zanak'Isiraely taminy: Ny làlambe ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman-ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34560A43-DA20-422E-89A1-B106BB6AC665
20
Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo aty hianao. Ary nivoaka nisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEEF14CF-82E7-4468-8CCD-63527C101C01
21
Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Zanak'Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5057A2CA-C5A4-42D1-BD2A-7F48DD884029
22
Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA2A3072-D6ED-41E0-8D0D-5764891513A6
23
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C505F6D-B7DA-45F8-9F9B-7BC1A1D4CDF9
24
Arona hangonina any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Zanak'Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94C85EC2-7857-41A8-94C4-E7617CB6C83A
25
Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C3AEC5B-83B4-4BD9-9217-DCA34CB5E620
26
dia esory ny fitafian'i Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany ka ho faty ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59E7D765-2F97-4CA9-87E5-3489C4B62E5A
27
Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F703D9B-8753-47CA-862D-6B0827B5CCB0
28
Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6806D9DE-7D4B-4F1C-A971-EDEB90C3C2DC
29
Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C0A3981-014E-44D0-ABDB-303BC9046C5D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany