Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny làlana mankany Atarima[Na: amin'ny làlan'ny mpisafo-tany.] ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76C15A1F-229F-4D5B-B586-77E678689533
2
Dia nivoady tamin'i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tànanay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona[Heb. herema.] avokoa ny tanànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C323536C-846F-40A4-865A-F01B4B917A1D
3
Ary Jehovah nihaino ny feon'ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny Isiraely levona[Heb. herema.] izy sy ny tanànany; koa ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Horma.[Horma = Herema.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A518DD5-CEE2-4687-8514-31486638A575
4
Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny làlana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny làlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|351156FA-43DD-4344-A6D1-DFC6352135D4
5
Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta izahay ho faty aty an-efitra? fa tsy misy mofo na rano aty; ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30FC874A-F852-4520-BDB5-C19539ABAD68
6
Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|072CAE8F-0C46-4414-9A29-2EBDBBF8637A
7
Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy hianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78203D48-13B9-497A-8BE0-0C2BEAFF40B7
8
Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantôny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AEC56F5-763E-433F-B12A-C2BEF9838F0C
9
Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FA07F73-CC9F-4112-B78C-AF1B336B3298
10
Ary ny Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|527703E8-97A4-4E0C-A9FC-D3428F2A009A
11
Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin'ny efitra izay mifanolotra amin'i Moaba, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E6B2CC7-5C45-4A9B-A5F9-2B5CBD62F614
12
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan-driaka Zareda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E08A7828-838D-421F-AF08-C0DC1E2DE585
13
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E114C393-E722-4A1B-9E4D-CC8850D9A763
14
Koa izany no ilazana eo amin'ny Bokin'ny Adin'i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa Sy ny lohasahan-driaka Arnona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B332D31-ABE5-48C7-AE0F-2DBFE3427FA4
15
Ary ny tany kisolosolo amin'ny lohasahan-driaka, Izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara Ka mipaka amin'ny fari-tanin'i Moaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C219916B-B611-4881-AFE7-B40444D5DADE
16
Ary niala tao izy hankany Bera,[Bera = Lavaka fantsakana] dia ilay lavaka fantsakana nilazan'i Jehovah tamin'i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F59CB10-5DA2-4879-8639-EC55482D57A0
17
Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F7945A7-3FC5-4DF8-9AA5-EB3CFC6348CB
18
Lavaka fantsakana izay nohadin'ireo mpanao lalàna, Ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny firenena Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8453F84-0E38-4597-9F4E-3F1E878551DB
19
Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFF62EC8-A47D-449D-B102-1FD7BF8B441C
20
ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao an-tampon'i Pisga, izay manatrika ny efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A15B908D-3F3C-4607-A750-5D5E9797166C
21
Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25F557A5-F325-4589-A6F5-B2D5BF3D937A
22
Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny làlan'andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E96D628-1A75-4CE4-A527-3DA246602A53
23
Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin'ny Isiraely teo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1FA39D3-82E5-4E2F-9950-2357784B3280
24
Ary ny Isiraely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, dia hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny taranak'i Amona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|992DE3E9-076D-406E-A4FE-C6E45A53D955
25
Dia nalain'ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan'ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F49BAF38-9D8C-434C-9B31-7C29AC6ABD87
26
Hesbona no tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0B5C585-F1C5-4B6D-ADB3-B5710C7A766A
27
Izany no nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona hianareo; Aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan'i Sihona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F2E107A-F3DE-4AD8-A51A-BC13678750B8
28
Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, Sy lelafo avy tao an-tanànan'i Sihona, Ka nandevona an'i Aran'i Moaba Sy ny tompon'ny havoan'i Arnona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8D97FB1-D9C5-47BA-B17D-213CF6B69287
29
Lozanao ry Moaba! Ringana hianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zanani-lahy, Ary navelany ho babo ny zanani-vavy, Ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB994B21-FCE4-42FD-8F63-9F3AB58A3FB2
30
Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; Nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an'i Medeba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC6E4825-AFEF-4BFB-8D59-0CAEEC504113
31
Dia nitoetra tao amin'ny tanin'ny Amorita ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FB0D4B0-E877-4E54-BA89-1E27EBFBF449
32
Ary Mosesy naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|931B941F-3DD1-4056-9CA0-D77361B659C1
33
Ary niverina ny olona ka niakatra tamin'ny làlana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan'i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D495B7B7-4291-49AB-806D-0B2FDECA3D79
34
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy hianao, fa efa natolotro eo an-tànanao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary hianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66083C3E-50CD-4F10-AE6B-41199AFF0680
35
Dia namely azy sy ny zanani-lahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|430FBB73-8475-4987-9FC7-5491F738C74D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany