Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2BF1BB7-3887-4D5D-A47B-7E0D4A76B6A0
2
Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny Amorita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C198506-E21A-4478-82B8-236D45C35E35
3
Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan'ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AC4D1EA-71DF-486E-9077-BB6A6FD3F4BF
4
Dia hoy izy tamin'ny loholon'ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan'ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak'i Zipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10AC7F37-AAFB-4A11-840D-5864419CE635
5
Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C17C121-A470-4B73-B74D-2DD36F019C79
6
koa ankehitriny mba mankanesa aty, ka ozôny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|722010B6-A05E-43BA-A31D-642F1A19EE90
7
Dia nandeha ny loholon'ny Moabita sy ny loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i Balaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB8CCB21-05A4-4878-B1EE-A82454BB275A
8
Ary hoy Balama taminy: Mandria aty anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andriandahin'i Moaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24AFA499-D921-441A-854F-E477DA6BDF8B
9
Ary Andriamanitra nankao amin'i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17A96CE7-682E-4BBB-A12B-C7E71CF29F23
10
Dia hoy Balama tamin'Andriamanitra: Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECE6386C-D736-46DF-BA17-0DF5F16B91BD
11
Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa aty ankehitriny, ka ozôny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53480C61-76EA-43C1-AA6F-D50075A49D7A
12
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4592EDA6-BB44-4CD5-87A7-088E327DF5C3
13
Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A5675A9-0DF4-42CF-AA2D-6F438A7076F7
14
Ary niainga ireo andriandahin'i Moaba, dia tonga tany amin'i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45C5B68E-E2D8-4EC7-81CC-B9EFF28D0A68
15
Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B008EEDD-CEDA-418B-9367-1FC01391D0A6
16
Dia tonga tao amin'i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Balaka, zanak'i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao aty amiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF83E0B4-B3DE-4986-9CCD-5DEF14AA7B52
17
fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna hianao, mankanesa aty, ozôny ho ahy ity firenena ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7D73B9F-9000-4A03-A29F-520E8171A7A6
18
Fa namaly Balama ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60EFA3AA-2AAE-437C-9434-C1B3CA54D3D7
19
Nefa, na dia izany aza, mitoera aty ihany koa hianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain'i Jehovah amiko koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9620BEEF-A2B0-485D-ABA0-006FE21480A0
20
Ary nony alina dia nankao amin'i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan'ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97A3BEB3-558D-4C89-867E-6264EE985384
21
Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin'ireo andriandahin'i Moaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FAAB440-E099-4557-9A77-7697B4A7497A
22
Ary nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dàlana Ilay Anjelin'i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F99A7022-B19F-431B-AB00-7398EB44A51A
23
Dia hitan'ny boriky nijanona teo an-dàlana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily làlana ny boriky ka nankany amin'ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny làlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F10565D-6EA0-40E8-B1E8-A4B493A4844E
24
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan'ny tanimboaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FCD3D8C-A2A1-4D3B-B581-48549BAA4F03
25
Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin'i Jehovah, dia niampify teo amin'ny fefy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA086D76-82FF-49BA-8E0E-26F6937F5CDF
26
Ary mbola nandroso Ilay Anjelin'i Jehovah ka nijanona teo amin'ny fitoerana éty, izay tsy nisy làlana hiviliana, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|523107FC-B861-4BED-A73F-A8692E461506
27
Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nandry teo ambanin'i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran'i Balama ka nikapoka ny boriky tamin'ny tehina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D33DE2D6-A2DC-4089-9689-06E12E3BAE0B
28
Dia nosokafan'i Jehovah ny vavan'ny boriky, ka hoy ny boriky tamin'i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C078CB92-9D14-46D7-8124-9AA8C02FD697
29
Dia hoy Balama tamin'ny boriky: Satria namazivazy ahy hianao; enga anie ka misy sabatra ety an-tànako, dia matiko mihitsy hianao ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6851F59D-7419-4DF3-B03E-CDB33E71D19B
30
Ary hoy ny boriky tamin'i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka andro-any? moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7632CDA7-F252-4B9B-9607-2DD86B80C2D7
31
Dia nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dàlana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|859F4305-EF0D-450F-9EDD-A5A84FD14714
32
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo hianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny làlanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86681429-DBFF-428E-A1FD-683B6D943D42
33
Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia hianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE803D4D-4F09-4F87-8011-BA226169A0B9
34
Dia hoy Balama tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dàlana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D587B84-99D6-4CB9-9267-316051A72B68
35
Fa hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Balama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin'ireo andriandahin'i Balaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECE0A586-E212-4ED9-91C1-CF95A4D90109
36
Ary nony ren'i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin'ny Tanànan'i Moaba, teo amin'ny fari-tanin'i Arnona, izay eo amin'ny sisin'ny fari-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8065F0BD-A421-4E4F-BC14-289BDABE0163
37
Ary hoy Balaka tamin'i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao? ka nahoana no tsy nankaty amiko hianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2EA4B13-E8A6-4222-B86F-CB4D6C3CC17B
38
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon'Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE1BF26F-14F8-4448-804C-CCA319876585
39
Dia nandeha Balama niaraka tamin'i Balaka; ka nankany Kiriata-hozota izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|519C098A-3D92-4526-AB8D-F72D286B593E
40
Ary Balaka namono omby sy ondry aman-osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an'i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92925A1E-8E2F-4434-A151-9A18CD71A3CC
41
Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny tobiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE06E384-7461-4308-ABBF-5CE005D518A4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany