Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D2D3F5D-AE51-492C-A6BF-81BFC3FB1019
2
Dia narahin'i Balaka izay efa nolazain'i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan-alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EBB4F00-21F5-46EC-B478-01E3AC7BD6A6
3
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D001EC6-A16F-41D6-A41F-A44773267D6F
4
Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan-alitara aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|526F34CD-A268-4CDE-B3A2-B0876104683A
5
Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany no holazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0483088D-F035-46F0-8CEE-B9565D6468F0
6
Dia niverina tany amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85A01FE6-AFD4-4A6B-80F4-A7F872A308EA
7
Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozôny ho ahy Jakoba; Ary mankanesa aty, ka sahatoy ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0702A50-01A6-4DF4-BD49-15C269513411
8
Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF17267A-C3F8-4DF5-8449-799ADDAB5343
9
Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, Ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; Indro, firenena mitoka-monina izy, Ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7185D2AC-CB94-4059-9B03-BDE0AD5E072F
10
Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, Na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, Ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CF20A9B-BC76-40E9-A1E3-317460EB6757
11
Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko ny nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE055B3C-1BD0-4FC9-9CD5-8F4F5D6D3092
12
Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C8D93DE-A12A-4480-B829-EFD8B073490E
13
Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozôny ho ahy ao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CD2E4C9-FC6E-4EE5-A827-ABECD8D95940
14
Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan-alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43100C2D-2124-405D-BDFB-4DCDE5008A27
15
Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankery hihaona amin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|016F5F6A-3703-4349-8E72-923F4232B757
16
Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena amiko mankeo amin'i Balaka, ary izany no holazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0887664A-9F2F-48F2-AB00-862BB982386C
17
Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D73B0050-74CF-4BA2-B8D0-6C266B8D8CEF
18
Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak'i Zipora;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4006DCD1-9D7E-48C7-825D-67FC21A08861
19
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, Na zanak'olombelona ka hanenina; Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|221E0864-2305-41CF-BA69-10B7C8B9B88A
20
Indro, ny hitahy no efa azoko; Ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|718C5D41-4F9B-4E81-BAFC-02D03CDD2B57
21
Tsy mijery faharatsiana eo amin'i Jakoba Izy, Ary tsy mahita fahoriana eo amin'ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin'andriana no re eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|891A2050-193F-4F54-8023-49F8C927F6DD
22
Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, Ary manan-kery[Na; tandroka.] toy ny ombimanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B41A08D-FF83-4874-BF65-06BA3CB50CAF
23
Fa tsy misy fisikidianana eo amin'i Jakoba, Ary tsy misy fankatovana eo amin'Isiraely.[Na: Fa tsy leon-tsikidy Jakoba ary tsy leom-pankatovana Isiraely.] Fa amin'ny fotoana no hilazana amin'i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|794F3FC0-CC4E-4E56-9D44-4CFBD546AACD
24
Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy Sy miarina toy ny liona; Tsy handry izy mandra-pihinany toha Sy mandra-pisotrony ny ran'ny voavono.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13D4401D-E7CC-411D-A872-3B143E0D6810
25
Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39FF870E-14E0-4850-8E51-FA5C24FD6DE8
26
Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin'i Balaka hoe: Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain'i Jehovah, izany no hataoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D80AB35-5911-492C-AC4D-E1E20EA80077
27
Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Andeha ho entiko any amin'izay tany hafa hianao; angamba ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D977C25E-E3CE-471F-920C-B0EA613CA6BC
28
Ary Balama dia nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i Peora, izay manatrika ny efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12E1D3C1-8BE9-4769-96DD-8EEAB0869961
29
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66EC3CC6-5451-4CDA-BE47-7A9A68E67C8A
30
Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan-alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E713C9C-3BC4-4943-9B64-12184C3E4941
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany