Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F9D8922-04C4-4994-A787-47DAB4D35F44
2
Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55351458-E639-40E2-89ED-8CFEF0992AAF
3
Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, Dia ny lehilahy izay voakimpy[Na: voahiratra.] ny masony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14B25FAB-EE30-47FC-86D9-9731D0084BF0
4
Izay mandre ny tenin'Andriamanitra Sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, Torana, kanefa voahiratra ny masony:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|177287BA-5173-4A14-AC00-6DBC2CE0AFEB
5
Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC9ADBF5-D9DB-439A-8D8D-8F860D0A113D
6
Tahaka ny lohasaha malalaka, Tahaka ny saha ao amoron'ny ony, Tahaka ny hazo manitra[Heb. ahalima.] nambolen'i Jehovah, Tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14182A76-78C1-497B-AFB4-9D44D5E0D438
7
Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, Ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, Ary handroso voninahitra ny fanjakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B96A04B-0404-459C-BA12-465990B8D121
8
Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga;[Na: tandroka.] Handany ny jentilisa fahavalony izy, Ka hotapatapahiny ny taolany, Ary haripany amin'ny zana-tsipìkany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D33A900-6F1A-4603-9362-A03E723265E9
9
Mamitsaka izy, mandry toy ny liona, Ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, Ary ho voaozona anie izay manozona anao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E775F8DC-0E9D-461F-BE64-9445C02F7FA1
10
Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tànana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo hianao izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B08961B-8FD3-45F3-A3E9-5275852203A9
11
Koa ankehitriny, mandosira ho any amin'ny fonenanao hianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A112E5F-E6C7-4415-8C16-CBCC2F6A0DE3
12
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin'ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A36E0C84-1F84-4DDA-977C-ABAA91F86C2F
13
Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay holazain'i Jehovah ihany no holazaiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C37C5F7-9A76-4F90-A575-114F79E911E7
14
Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin'izay hataon'ity firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B9DB738-C86D-451C-B834-AE473F152A4D
15
Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, Dia ny lehilahy izay voakimpy[Na: voahiratra.] ny masony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EE12C73-FEEF-4DE2-947D-ADDAAA239A11
16
Izay mandre ny tenin'Andriamanitra Sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, Izay mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, Torana, kanefa voahiratra ny masony:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|470B3C39-E14A-4304-A78F-17DD1C905C20
17
Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; Tazako Izy, nefa tsy akaiky; Misy kintana miseho avy amin'i Jakoba Sy tehim-panjakana miposaka avy amin'ny Isiraely Ka mandrava ny sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba[Na: ny taranak'i Seta.] rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F924503F-A53D-4B36-BAC9-60395BF3D0F3
18
Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, Ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8FEE940-C1FF-48B3-A45C-4CB3FCB4AB8E
19
Ary avy amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka Ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48F248B4-AB7A-47C0-99A7-868361B2BC06
20
Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany amin'ny jentilisa Amaleka, Fa ho lany ringana no hiafarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ED482E3-0F7C-47AB-9803-857E39E04D79
21
Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, Ary atao amin'ny vatolampy ny akaninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EA55259-A371-4AC7-A5E3-C0707B6E881E
22
Kanefa ho ringana[Na: tsy ho ringana.] Kaina, Alohan'ny hamaboan'i Asyra anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB0B1FE6-D102-4A82-964A-FFB488AAF2F5
23
Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D782F62E-6A49-47C4-9D19-7FAEA1D0732E
24
Ary hisy sambo avy any amin'ny tany Kitima, Ka hampietry an'i Asyra sy Ebera, Ka ho lany ringana no hiafarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E90B47-E8E6-4602-9D0C-FA65770E8815
25
Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay nalehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A4C0A6C-9377-4BE7-A2D6-61A9C9CD88AC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany