Andininy
Protestanta Malagasy
14
Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin'izay hataon'ity firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B9DB738-C86D-451C-B834-AE473F152A4D
15
Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, Dia ny lehilahy izay voakimpy[Na: voahiratra.] ny masony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EE12C73-FEEF-4DE2-947D-ADDAAA239A11
16
Izay mandre ny tenin'Andriamanitra Sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, Izay mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, Torana, kanefa voahiratra ny masony:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|470B3C39-E14A-4304-A78F-17DD1C905C20
17
Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; Tazako Izy, nefa tsy akaiky; Misy kintana miseho avy amin'i Jakoba Sy tehim-panjakana miposaka avy amin'ny Isiraely Ka mandrava ny sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba[Na: ny taranak'i Seta.] rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F924503F-A53D-4B36-BAC9-60395BF3D0F3
18
Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, Ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8FEE940-C1FF-48B3-A45C-4CB3FCB4AB8E
19
Ary avy amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka Ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48F248B4-AB7A-47C0-99A7-868361B2BC06
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany