Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Eleazara, zanak'i Arona mpisorona:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9A1E54C-5E1A-4173-815E-CCC5F1AB30C3
2
Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin'ny Isiraely azo halefa hanafika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2066F0A7-B2AE-4701-99A1-E33C6F490C3C
3
Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E010FED-B07A-4C65-92CC-D8AB21C96D01
4
Ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely izay nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71DB509F-D3AA-4726-A1E2-BBBB8B7F6181
5
Robena, lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita; avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DDC8240-084E-494C-9A22-8841A6F5D328
6
avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|001701A5-F4FA-4EBF-B6BB-4E46D6F2B272
7
Ireo no fokon'ny Robenita; ary izay voalamina dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B50F31CE-181F-4410-8670-C08BBC55CC14
8
Ary ny zanak'i Palo dia Eliaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEC7697F-F5FD-435C-9A9C-6CD3AEAA3C83
9
Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin'ny fiangonana, izay nila ady tamin'i Mosesy sy Arona, teo amin'ny antokon'[Heb. fiangonan'.] i Kora, raha nila ady tamin'i Jehovah izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8760088D-0C97-49D1-8892-0478DB8C43F1
10
ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony[Heb. fiangonany.] izany, ary levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1DEF68B-2A2F-4B47-BEE3-EDA364F37FD6
11
Kanefa ny zanak'i Kora tsy mba maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19D50759-AB56-4CA9-9B4F-562D7E27E4CD
12
Ny taranak'i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Nemoela ny fokon'ny Nemoelita; avy tamin'i Jamina ny fokon'ny Jaminita; avy tamin'i Jakina ny fokon'ny Jakinita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E106AD3-F74E-484C-830E-FBD938B6F749
13
avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita; avy tamin'i Saoly ny fokon'ny Saolita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48F1687D-3D16-43BB-8D70-4B8F4DA41553
14
Ireo no fokon'ny Simeonita, dia roan-jato amby roa arivo sy roa alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D2DB396-31AE-40EF-9205-4012BEA724AA
15
Ny taranak'i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Zefona ny fokon'ny Zefonita; avy tamin'i Hagy ny fokon'ny Hagita; avy tamin'i Sony ny fokon'ny Sonita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C96A59A7-3812-4A79-BA71-4379F9D92241
16
avy tamin'i Ozny ny fokon'ny Oznita; avy tamin'i Ery ny fokon'ny Erita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32A1C102-D1FB-4F14-B533-E14CA680CD2E
17
avy tamin'i Aroda ny fokon'ny Arodita; avy tamin'i Arely ny fokon'ny Arelita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75550DED-59DD-4F50-A299-DAF8B1F4DA27
18
Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A7ADAF1-01DB-405F-9400-B698568BCB2A
19
Ny zanak'i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22E51DFF-4236-4998-91C4-63B5D813F141
20
Ary ny taranak'i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sela ny fokon'ny Selita; avy tamin'i Fareza ny fokon'ny Farezita; avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF40F104-4721-4813-A588-FA98E82654AB
21
Ary ny taranak'i Fareza dia izao: avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|552484A0-0D6C-4C0C-B9D2-72623FD8953E
22
Ireo no fokon'i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C1047A7-9B81-44B0-B5FB-EC7A593A04DC
23
Ny taranak'Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Tola ny fokon'ny Tolita; avy tamin'i Pova ny fokon'ny Povita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DBC4588-56DC-44D4-BF4B-985EBABABC33
24
avy tamin'i Jasoba ny fokon'ny Jasobita; avy tamin'i Simrona ny fokon'ny Simronita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1976F4FF-9003-4F17-AD58-3C76E73C59BC
25
Ireo no fokon'Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0595F6A6-B758-448E-9316-A04DD70DA9E4
26
Ny taranak'i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sereda ny fokon'ny Seredita; avy tamin'i Elona ny fokon'ny Elonita; avy tamin'i Jahalela ny fokon'ny Jahalelita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7117FEC0-AE20-4C72-8374-D60A4B8817BB
27
Ireo no fokon'ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|604AA9D7-0179-4BA1-82DB-DD17B4221903
28
Ny zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0CEA058-E2C5-41A7-98EE-462A1BC426E0
29
Ny taranak'i Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEDBFA6C-3F7C-466D-A43B-0513D60D98B4
30
Izao no taranak'i Gileada: avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka ny fokon'ny Helekita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4E3714D-7C46-46FE-B179-BDAC63572BA4
31
ary avy tamin'i Asriela ny fokon'ny Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny Sekemita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE3A18A2-B72F-461C-A968-E1236D5E686A
32
ary avy tamin'i Semida ny fokon'ny Semidita; ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny Heferita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C92C2A69-EF02-4E34-8446-EFB3B0C98E22
33
Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9D9D679-C483-4767-AC7B-CE879B6ADEB6
34
Ireo no fokon'i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EAA8BA6-765C-4E35-84A6-B333A10CAEFE
35
Izao no taranak'i Efraima, araka ny fokony: avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita; avy tamin'ny Bekera ny fokon'ny Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny Tahanita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73D3D26A-E3F2-4437-AB7D-DFAF4CF132AC
36
Ary izao no taranak'i Sotela: avy tamin'i Erana ny fokon'ny Eranita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A4A74F-F32E-468A-A89D-7C0868C769B9
37
Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak'i Josefa araka ny fokony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39391C6A-F1C3-4FD9-995A-9A9DEBFA66B3
38
Ny taranak'i Benjamina dia izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy tamin'i Asibela ny fokon'ny Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny Ahiramita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2A652D6-837C-4DB5-9D1B-45E4E8E5426B
39
avy tamin'i Sefofama ny fokon'ny Sefofamita; avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD7FE1BD-ABD0-47FE-B4CA-7E660C66246F
40
Ary ny taranak'i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i Namana ny fokon'ny Namanita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41DE2B80-2B21-480E-9050-8D588CA1F1E1
41
Ireo no taranak'i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E68E78B2-380A-4ECD-BE76-FC52FA2D6349
42
Izao no taranak'i Dana, araka ny fokony: avy tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana araka ny fokony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1385774F-8E4D-4BF6-8714-A2339C18CD9B
43
Ny fokon'ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7184B197-8B46-40E3-B797-367E619AD0F7
44
Ny taranak'i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin'i Jimna ny fokon'ny Jimnita; avy tamin'i Jisvy ny fokon'ny Jisvita; avy tamin'i Beria ny fokon'ny Berita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0790072B-D218-4656-8F04-B54B7731953A
45
avy tamin'ny zanak'i Beria dia izao: avy tamin'i Hebera ny fokon'ny Heberita; avy tamin'i Malkiela ny fokon'ny Malkielita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEEB2AC1-D3AD-407D-A636-F2A50BFD5CE9
46
Ary ny anaran'ny zanakavavin'i Asera dia Sera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F9D3CB1-B6BE-4D69-9E2E-E555FE24DCA3
47
Ireo no fokon'ny taranak'i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9CAA28B-D32D-40AB-A645-07D2173CE5A2
48
Ny taranak'i Naftaly, araka ny fokony dia izao: avy tamin'i Jaziela ny fokon'ny Jazielita; avy tamin'i Gony ny fokon'ny Gonita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D00AEAE9-CE34-4C7B-81DC-12D7D679BC5E
49
avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Silema ny fokon'ny Silemita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDF5EDD9-DB0B-450B-AAF3-063A147A6191
50
Ireo no fokon'i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7028505D-BBCB-412D-9FE3-3376CFFCA4E8
51
Ireo no voalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76DFC085-3F29-4C41-819E-52680E832FED
52
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66002FD7-822A-460C-BB1F-45167C355B6F
53
Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBCD9F32-D90B-45C3-A20D-15A4A2A7546E
54
Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA66CF0B-ACA0-4EB4-8621-A5818BC629B4
55
Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany zara-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95088335-D7FC-4E00-A227-6E453F6539D6
56
Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A781661-0216-4305-BAF0-D19DCF7DBF53
57
Ary izao no voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary ny fokon'ny Merarita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAB6AC36-4DD9-412A-972A-E8A3BC05A63A
58
Izao no fokon'i Levy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koraïta. Ary Kehata niteraka an'i Amrama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC0B3226-486C-4BFB-A7D6-9048CF7B8160
59
Ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF65CD7C-6F44-4EEA-B9A9-5D78FF1693B1
60
Ary ny naterak'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F8ACD4E-4574-4EDD-9A3E-1A0842C5BFFB
61
Fa maty Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B5F3701-85FF-48C7-B43E-16A1951D0C94
62
Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21FEA883-3C71-41A7-909E-4B27BCE38F8D
63
Ireo no voalamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CF6C7AF-0578-4C41-91E4-E36C13C1C76D
64
Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13B47130-D502-4F36-94C5-4181E1506B8D
65
Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB0370EF-B472-453F-8248-D2ECACCFE02C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany