Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E756857-BD91-4D87-BDCB-D26DC354A27B
2
Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin'ny fotoany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1390B874-F38C-4B1A-A0D6-0F3474412AF8
3
Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i Jehovah: zanak'ondry roa isan-andro izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE1E4490-AA43-46CF-8DCE-D20CBC09C3BC
4
(ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray haterinao nony hariva),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC3A51E9-107B-4FD4-9AD6-8B7F24217F5A
5
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9188299B-9409-4A55-B0CE-E92E00E55D9F
6
Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FB82445-AB64-4C2D-A59D-B83ADE0C280C
7
Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra aidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01BF78AA-87CB-47F9-BBAC-9F3A4466F4AD
8
Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombanao azy ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F6E318B-9701-4E29-A595-0607F75D7FB6
9
Ary amin'ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak'ondry roa izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|654E3E64-7FAA-4E41-BA06-6980E2E41DC4
10
Fanatitra dorana amin'ny isan-tSabata izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7367D513-FC95-4535-BE1C-2625AB4F71A7
11
Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7A0760E-2B45-4785-8857-58B3443A6411
12
ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D95033E-6AD4-4EC4-83B5-764B074E8EE5
13
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-janak'ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6466137-D414-4A93-B249-F5343B403B25
14
Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBED2E3F-9DAF-4363-B956-9B73D2711318
15
Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8359B079-EA01-4066-B0E0-55E7263DBA64
16
Ary ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany dia Paskan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F855205B-2E78-4D8C-8394-9854F1F47D07
17
Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F62081D-9156-4DE2-9B07-A7814CD249E6
18
Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina; aza manao tao-zavatra akory;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87ABFCFD-BB28-44CD-AC5B-B306B28115B7
19
fa izao no atero ho fanatitra atao amin'ny afo, dia fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] (izay tsy misy kilema no haterinareo),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A4F4A1C-0488-4BBF-86F6-919503D23109
20
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinareo amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2772EA0-4652-4964-8761-36DFC744E9BA
21
ary ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinao amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2CB25FE-2202-4E02-8F05-853E0D2FBDFD
22
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ED4E9FB-2BAD-463D-AF64-1CA2B5F239BD
23
Atero ireo ho fanampin'ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9732CCC7-10C2-4BA9-B8AD-6B55FE0AAA40
24
Araka izany no hanateranareo isan-andro amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23E84F57-FE42-48EF-9036-E78EEA062F1D
25
Ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43AD6093-2FBA-4B6F-8A22-5EB92D9DEC0A
26
Ary amin'ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah hianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo,[ Izahao Eks. xxxiv. 22. ] dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71B19644-5265-4989-92DC-8533C991C338
27
ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak'ondry fito, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] avy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A41FDA4F-F4CD-486B-8DBF-01ABD56B2C8C
28
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E477D4D8-2DF5-4B3B-A929-BD28DB443ACD
29
ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry iray, dia amin'ny zanak'ondry fito)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E567D5B9-BD0A-48BE-A7F0-E4A914F11E85
30
ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83415F54-A3F7-4974-A4F8-59EA86EE0FFF
31
Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D498B2C-8113-4C1E-BDEF-0277A2B2E608
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany