Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D404C0E-A274-4CAA-81F9-DCF6EDF7D702
2
Ary izao no atero ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] avy sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|782B66CE-A203-478D-8276-B1A189D8D558
3
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA177FD0-34DD-4B19-925B-D897AB9718C0
4
ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92B7FF49-E37D-4881-AEF7-79E003098EF3
5
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AFD596B-C83F-45A0-AFBC-034AEE4B099B
6
ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FB746C3-6E42-4131-8C64-3BCC282FF14B
7
Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia hampahory ny tenanareo hianareo; aza manao raharaha akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA1E78B7-541F-40D5-8E3E-6C114C296A72
8
Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F697BAB-3D2E-441B-ABA4-ED8DBE3F64DD
9
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97D6040B-7AE2-44FD-BFEA-88BBFBEC6E39
10
ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB8B9974-34D8-4B0C-9A20-78D87F40C9AB
11
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08419926-BA26-487C-9475-905FC913979F
12
Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7513217-0844-4B1C-AED3-761A822977EE
13
Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] avy sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|083B5033-26DD-4925-8CA6-D82F013F19A9
14
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0027418-E7A9-4CDD-9BC2-903F8F7A9A69
15
ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3A6055A-4378-4B6D-B063-3AE8EA02903F
16
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1022F06E-FDEE-4F5D-98EB-B2854E1A7632
17
Ary amin'ny andro faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1E0F722-CC0A-4044-8204-18049937445A
18
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny isam-bantotr'ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EB2A49E-5C99-4C5F-B782-FB1E4A3FD9F0
19
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B8A04EB-F574-49DC-BCE1-348960715E12
20
Ary amin'ny andro fahatelo koa dia vantotr'ombilahy iraika ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85875EBF-C890-420F-992A-CD7D98E3029A
21
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04B649CD-9644-468F-877B-D7C3F7D465CA
22
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C8FFB0C-C23E-4621-B731-12C408B6FEBF
23
Ary amin'ny andro fahefatra koa dia vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58D29159-E195-479E-B729-D8C2D791CF65
24
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E8FF468-B275-4D35-9172-139C7BA73E9F
25
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D176386-DFDF-49BD-A459-8A28D7CD07B8
26
Ary amin'ny andro fahadimy koa dia vantotr'ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CD11E93-8A57-4221-AFC0-C2A9F6C8513A
27
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03D3DD72-DE4C-43A8-9672-5DCE5FB868F9
28
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9633E8F-00A0-445A-8499-E226F14DB29E
29
Ary amin'ny andro fahenina koa dia vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CA238F4-656B-465E-BD71-476E1E9DFD4B
30
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|838A518C-3706-4CDC-860B-AF2FB7CA260E
31
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9F04541-3B41-43B4-9671-7C331D94DC0B
32
Ary amin'ny andro fahafito koa dia vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09ED894D-89BC-4A90-B385-7ADB5862C5A2
33
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0134EA7-EE60-4A5D-8F01-0A45389F627E
34
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB01F97D-27D8-4FCD-8A04-3268EEBA585F
35
Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A46D338-F90D-490C-A24E-97448A500036
36
Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] avy sady tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BE9DD6A-F822-445D-84D3-558912A266F4
37
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24195115-4698-429E-9E5B-9503C030F6BE
38
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3C1ACCF-4371-4589-89B9-551C7B06D0CD
39
Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D210909-B471-4DB4-9BA4-CE177A4015DD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany