Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9B4E282-44D5-45F6-ADE5-DF76E5B2A33E
2
Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|666C08F7-F8A5-4A30-AF9D-B50F8A061F1E
3
Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F17CFC8-7BE8-4B2C-962B-3C58BF6D0834
4
Ary raha misy vehivavy mivoady amin'i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|593759DE-0B68-43E8-8020-EAD952699AD1
5
ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BF25E48-23E1-4E65-8B0C-A5C8BA335B58
6
Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C44338B5-4C02-467F-B834-9B0EB1CE1DC6
7
Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon'ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5171BE8-CF61-446C-88A2-76A965FC632C
8
ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E33756E1-C560-4724-8623-ECA0C0375486
9
Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4017B119-FD65-40EB-B8D3-F07A0F835D67
10
Fa ny amin'ny voadin'ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0E7C23D-85C8-4797-9C0F-0985D588037B
11
Ary raha misy vehivavy nivoady tao an-tranon'ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|833854C7-6E62-48E5-AB37-99CB7AF26B29
12
ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E27BBDA-A623-44E8-8A6E-EE28D0A377FA
13
Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81A1A8FE-5665-4FA5-9B67-3809CDB43B07
14
Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0A0F6CB-FCCE-4BF3-8142-A42CEDA3D928
15
Fa raha tsy niteny azy akory tamin'ny an-davan-andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D300FB1-68D2-4EF8-AA49-B36F1AE7493B
16
Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian'ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCCFD830-6B40-4698-89C6-74BBEE6F2650
17
Ireo no lalàna izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zanani-vavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDF90383-D6E4-4106-8EA7-E703C739A296
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany