Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D831CAA1-03C8-4F87-9C02-2C33A0D5E0B8
2
Valio ny Midianita noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin'ny razanao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|192F5C40-57A3-4D97-A6A4-F238BE1817AF
3
Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4449D299-9B6B-4C3F-A69B-91DB571C28EC
4
Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|046B79B3-9CEF-4B01-8A37-3A45F8170FFB
5
Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E23E8EEA-2DCB-4BFD-8E45-3FAFC79D6DE7
6
Ary nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72A532AD-1296-4520-830D-B02C160CAF82
7
Dia niady tamin'ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB2E63FC-BBE8-42E9-8633-7932D30B0700
8
ary ny mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EA6E771-7379-4BA5-BF62-669622D98DFF
9
Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman-ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60BC8D8F-A221-4FF3-87E4-483258011E92
10
Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86403028-7E3B-467C-A5E2-0BEE3DB80989
11
Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D5DCDF9-2206-4820-AB4E-97B9BD15BF6F
12
dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06656FE5-8EF1-46F6-8EB7-D83F18763DC7
13
Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6E31E40-6744-444C-884C-F54DEF1D5B2E
14
Ary tezitra tamin'ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77FC423B-8F2E-4933-84E9-1A53030A28E0
15
ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|633490C1-CFE5-477D-B177-88343ED0986C
16
Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A645958A-D473-4048-9F58-7AA81B8111C3
17
Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A3163A6-36E0-4660-B806-ECF8E5378D0B
18
Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5577D47F-1226-40E5-B481-F6146723686D
19
Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na hianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70A261C1-E661-4CAE-8609-D3C9F7F4EC32
20
Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34A6BF12-2755-4232-87CD-6C44C07B0332
21
Ary hoy Eleazara mpisorona tamin'ny mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CEF034C-7928-4C5C-A5D5-7FB6C3B4B767
22
Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A3363D5-FC54-467C-AA8F-259119BE44DB
23
dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin'ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin'ny rano ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6239EEF5-C538-4517-8D30-F7BCE5ACDDAC
24
Ary sasao ny fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio hianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin'ny toby hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E64F109E-24C8-4555-88C1-56AF721DFEA5
25
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2234C4F-FF10-4DE4-9B96-283BA7795B15
26
Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21996FBA-7D4C-4D9B-8322-CDDBF65E2ED4
27
ary sasaho ny babo ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|660CABA2-B3D1-4212-89B2-7B88B12FB091
28
kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman-osy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D26F88F2-1887-4E93-BECB-E33CF521F7FC
29
ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BC651B2-EB18-45EC-B878-5FCE45DCA609
30
Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman-osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|592A18F6-2DD1-4DF6-B8CF-7787EFE6B449
31
Dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FE88DFF-3211-400D-9CBA-DE79254A7C14
32
Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman-osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11C311D3-7405-4B1B-ACD8-41C602219400
33
sy omby roa arivo amby fito alina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B92AC81-74D9-4A62-8270-A0B0F41785AB
34
sy boriky arivo amby enina alina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC2506C8-846F-4E67-90C7-E9CD975BF40C
35
ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCC87CCC-DB72-4676-9279-799905E19580
36
Ary ny antsasany izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman-osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B12D7B77-E013-46E3-8F90-F7FD8B3CC057
37
ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry aman-osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F6413C4-5045-4A23-96E8-6EE8ACDBA1D0
38
Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah tamin'ireo dia roa amby fito-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CD510F4-A801-4006-8CFD-038A860235C8
39
Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah tamin'ireo dia iraika amby enim-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C28EE64A-23B4-4FC6-A390-C601A91ADEEB
40
Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah tamin'ireo dia roa amby telo-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05EE43F6-3335-4A26-9EBC-002F37D2A5E4
41
Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF88E978-5B3F-4E08-A6A2-0D008E9AA775
42
Ary avy tamin'ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B955EE64-D938-4BD3-AC2A-D93E11EB1325
43
(fa ny antsasany an'ny fiangonana dia ondry aman-osy diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6FE9B44-DC46-4064-94C2-66258720CD52
44
sy omby enina arivo amby telo alina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01D69F52-361D-43BC-A348-B880910B0B03
45
sy boriky diman-jato amby telo alina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64C3F6EE-FDA2-42D4-8427-88A9CCD8F86B
46
ary olona enina arivo amby iray alina), --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0DBC6CC-A962-4307-9198-7D9986FEC4A2
47
ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40B1F52D-3289-4934-9147-CCCFCF0C4D2B
48
Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an'i Mosesy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E3D9F20-9025-4DCD-85E7-46A831076AD2
49
ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC52FA8C-5359-49F6-B478-575907836366
50
koa nitondra fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tànana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADDEE37F-8419-4528-8B7A-85ACEABEE969
51
Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED742529-B644-4FA4-89DD-05FADE42000A
52
Ary ny volamena rehetra tamin'ny fanatitra nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an'i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|442B4A8D-AE1B-4174-9A9A-E87EB8C129DB
53
(fa ny mpanafika samy namabo ho an'ny tenany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|436DCAD4-D767-43FD-86D5-698FBAA63097
54
Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FA46900-F90E-4A35-BDD6-B886E0E9AE1D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany