Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nanana omby aman-ondry be indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny Jezera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman-ondry io,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7806E30-B704-4BC6-A1ED-22D3AA02F82E
2
dia avy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka niteny tamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin'ny lohan'ny fiangonana ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|996321C3-10B1-46B6-98BF-0622DE2860A3
3
Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimna sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beoma,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBFCE1EF-9F67-4D68-AB44-3127F7DB2CB1
4
ireo tany noresen'i Jehovah teo anoloan'ny fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman-ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman-ondry;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E7C44AF-35E9-4C8E-A247-889A9528C977
5
dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io; fa aza ampitaina an'i Jordana izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78ED76D7-8836-4073-8967-7B42EB7CAFD1
6
Dia hoy Mosesy tamin'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka hianareo kosa hijanona eto va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FD7BD26-3F57-439C-946F-A1BA42F5D23D
7
Nahoana hianareo no mampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD999B32-E740-44C4-B92D-A6173FE93E11
8
Izany no nataon'ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B702CEF1-980F-4A7D-98D7-628A0F9E9D65
9
fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay efa nomen'i Jehovah azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85E2B55E-B5F3-4B9E-90D0-783E40A550E3
10
Ary nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izany andro izany, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B74B8845-DCA7-4216-8F50-971CA21D9086
11
Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B641BCFC-2D60-4AD6-B675-D24D4082021D
12
afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak'i Nona, izay tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EFEB2CD-487B-46D5-8DCE-EF1E94773922
13
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2F5C83C-2ACA-4E81-B512-63201A4C21F0
14
Ary, indreto, hianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|063160BC-10D1-4FA2-BB8F-4276D632A49C
15
Fa raha miala amin'ny fanarahana Azy hianareo dia hamela azy any an-efitra indray Izy; ka dia hianareo no handringana izao olona rehetra izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDFBEAC4-8C25-4E1C-BCB9-B5294251C674
16
Ary dia nanatona azy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an'ny omby aman-ondrinay sy tanàna koa ho an'ny zanakay madinika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA35E62B-2C8B-47BE-B3DE-34543A4269B8
17
fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanàna mimanda noho ny mponina amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|150E42E4-02D5-4645-9293-5B267C281C9C
18
Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon'ny Zanak'Isiraely ny zara-taniny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C60A9D6-51E1-4B61-9504-00D8B18DF55D
19
Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin'i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay aty an-dafy atsinanan'i Jordana aty ny zara-taninay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40AF86D0-0722-464C-8A9B-55BE8EA5C79E
20
Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany hianareo ka hiomana eo anatrehan'i Jehovah ho any an-tafika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A959343-D193-4ABE-B7F9-7E00D05005CC
21
ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin'i Jordana eo anatrehan'i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57F8F47E-2C45-451F-BA32-6821B2EAC146
22
ka ho resy eo anatrehan'i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody hianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin'i Jehovah, na amin'ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF750A98-E2D8-42DB-8CB0-C851756DEAEA
23
Fa raha tsy hanao izany kosa hianareo, dia manota amin'i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|493911B1-82BA-4D9F-8ADB-988F1D3AD224
24
Manaova tanàna ho an'ny zanakareo madinika sy vala ho an'ny ondry aman-osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE474704-8DA7-4174-80CD-073A7E331C02
25
Dia niteny tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B298E19-625B-4DF0-900C-F43AED2E7D45
26
ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman-osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin'ny tanànan'i Gileada;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31E34A5C-C245-4F20-AB2C-AC614E94A75A
27
fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F547D87-52DE-48EA-BD46-F9A425306A4D
28
Ary Mosesy dia nandidy an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ny amin'ireo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66AFE595-7558-45D4-B181-464627AFCFF1
29
ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an'i Jordana hiaraka aminareo ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BD3A6BF-57B4-4276-B138-E5683C351216
30
fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo izy, dia eo aminareo amin'ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83B53801-430D-4D5D-AE3B-62209F64440D
31
Dia namaly ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i Jehovah tamin'ny mpanomponao no hataonay:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D29E4703-9626-48E4-A25C-54C50DAD1DE5
32
izahay handeha hita eo anatrehan'i Jehovah ho any amin'ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa ety an-dafin'i Jordana ety ihany no hahazoanay zara-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5407E24-05A3-4056-BF2E-189E71B930FF
33
Dia nomen'i Mosesy ho an'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basana, dia ny tany mbamin'ny tanànany ao amin'ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin'ny tany manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A68CA4FD-F61E-40C0-9351-F4D2D74E4E46
34
Ary ny taranak'i Gada nanao an'i Dibona sy Atarota sy Aroera
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D24C8BC5-C29D-4D4F-B240-ACD17A5CA1E7
35
sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6ED692C1-14C0-4F90-AFA8-6C590AC2A8B0
36
sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an'ny ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4443C25A-73F5-47D2-83CB-EDA37680C243
37
Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20983DEE-B8F2-4DAA-8954-3681AD69B6F2
38
sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibna; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BA56551-D03C-4BFF-A681-53C769B6B0AF
39
Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|327E8C6B-ABD3-4C2D-B7EB-BC593284A217
40
Ary Gileada dia nomen'i Mosesy an'i Makira, zanak'i Manase, ka nonina tao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9B93AC-D856-4F6B-BB1E-841D1DC5EA40
41
Ary Jaïra, zanak'i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaïra.[Na: Havota-jaïra = Tanàna madinika an'i Jaïra.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|798E8230-3F97-4FA5-A6F7-0684B2DE7B3F
42
Ary Noba nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC2BFF05-EE63-4A9E-BFC7-87C4C65292EF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany