Andininy
Protestanta Malagasy
9
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19247DBF-8698-4BA8-B390-3DB9B17AB4C6
10
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana hianareo ka tonga any amin'ny tany Kanana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB7DC8D8-5B55-42E0-A0F0-5BBE7AE37F4B
11
dia hifidy tanàna hianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF7A3BB5-820A-4147-A8E5-0E6650326358
12
Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly ra[Heb. goel.] izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96C7A887-06D7-471B-860F-2E41AEC4EB56
13
Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49D8B242-A2D0-4939-BB6B-BFE75C2B7FBC
14
Ny tanàna telo dia homenareo ety an-dafin'i Jordana ety, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin'ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30B39A23-A66B-4404-B87B-435E897B549E
15
Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC262F66-466E-46C7-8922-A3CD5510B6F2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany