Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09712B2B-EBE0-4E47-B9DF-BCC938E54362
2
Alao isa ny taranak'i Kehata eo amin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|766C62F6-7FAD-4843-B217-A73D371D27F1
3
hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao raharaha ao amin'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47B1E5BD-3839-4981-98C8-94BA09E656E4
4
Izao no ho fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|401A7DD6-4F81-4693-AABD-A61E3776943B
5
Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona[ Dia ny Didy Folo ] izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28C98E83-713A-4ECC-97F2-AD37F8D0D3DA
6
ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon'ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3728B56C-B688-436F-A4CA-6AD10ED61474
7
Ary hamelatra lamba volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho[Heb. mofo lalandava.] dia hataony eo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4E6D92C-376A-4492-B3CA-5506A4A3446D
8
Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny lamba hodi-takasy izany; dia hataony eo amin'ny baony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D19DD78-A4FA-41AE-B555-7EA34AAA318B
9
Dia haka lamba volon'ondrymanga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|227CEEC7-6E16-44F8-8785-B3731626FF84
10
ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2176A7D4-DD07-4F13-AF2F-1EDA36947FF6
11
Ary hamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68B45615-3520-42AC-8C0E-52C60C2122F2
12
dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E04C4EE6-6EDD-4911-9E9B-7819ED6A15A0
13
Dia hanaisotra ny lavenona amin'ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9271B98-1602-4121-B333-3E2465C71717
14
Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoam-pivavahana eo, dia ny fitondra-afony sy ny fitrebiny sy ny sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo amin'ny baony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DC3B7A1-2807-4EC2-88F9-4E9FCF6190B9
15
Ary rehefa vitan'i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana[Na: zavatra.] masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara-entan'ny taranak'i Kehata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A536E16-1281-46BB-854F-6F25FFEAF2CD
16
Ary ny raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan-andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39A6AA62-3590-4697-8F1A-6557FEB85F71
17
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDE1E590-11B2-4F3D-80A7-B9559170636C
18
Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CD9DAA2-62A6-4B7C-930A-70D6292E68C5
19
fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona sy ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E031BE1-5065-4377-8137-67347F7A76A1
20
fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana[Na: zavatra.] masina, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|487CEE60-7E3D-4D1C-AFD9-729B03A28F14
21
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25A39883-38AF-426C-835A-20C5ECC61EB3
22
Alao isa koa ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CDA2F43-82EB-48DC-91E5-FC6062F2A7C1
23
ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CA98EC1-C076-4F71-8537-53CC145575F1
24
Izao no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5F4FA65-0B54-408A-9C67-97E5F8572E52
25
ny ambain'ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|726139AB-22BF-4A22-9D50-B53C1ABD565E
26
ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ray ny kofehiny mbamin'ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8BFF451-4AD6-4532-8ED7-E291AAFCDAD4
27
Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C92EBFD-9321-444D-9E4C-20EB26D50AFD
28
Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|195EB86C-5842-4D18-84D9-ABEBC0F59A30
29
Ny amin'ny taranak'i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7672490C-FC1F-4780-B1CB-3FDA76014848
30
ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|323D6AF7-2DAF-468D-BED2-789AE57A9DFC
31
Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin'ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana: ny zanakazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0629C165-416D-4436-BA75-9F8D9CFCC506
32
sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao ; ary araka ny anarany avy ny handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78A13F73-BB12-4CBC-9FFA-A0A9EF2FCAA4
33
Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D6197D3-9246-4FA8-89C0-AF45502750D0
34
Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6190A76E-0AE7-4397-8FE9-0101976B46A8
35
hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A192D8B-DFF4-4E47-B973-CE34107E1D55
36
Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5415C479-572D-45CA-A682-B117CECE19CB
37
Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A127F20-562E-4D29-A45B-914BC1CD3182
38
Ary izay nalamina tamin'ny taranak'i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA8A4549-35C0-49C8-96D5-DED575A098D0
39
hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86BA9AD0-B053-4F97-9338-5A0CA289FEEF
40
izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3C84D55-A7D7-427C-8157-7FDAECA3812A
41
Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6676269F-683C-4415-83C9-37F5DB7A9C9F
42
Ary izay nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50C72A69-50E0-4E6C-A962-31EC4346A986
43
hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony, hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0701E7E1-74B2-4235-9688-7FBDE61BB3BF
44
izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E0B770F-E387-47BE-BFB4-55C4635E470E
45
ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA579347-133B-4791-8F52-A93E3A16CBE9
46
Ny tontalin'ny taranak'i Levy izay nalamin'i Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7099306-9A10-4C5D-B942-967C50445AB8
47
hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay fihaonana, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|117AC161-1A04-488A-ABD2-65B1012674F6
48
izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EC8703E-F25C-46B3-B69D-F0287ED1A462
49
Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1724876D-2E02-43AF-A201-12B24A000F4E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany