Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FF2AF86-4FBF-464D-B33E-64E1D7EF01E1
2
Mandidia ny Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|074E35D7-B829-4D43-86C0-EC42D4A60710
3
na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|009AA516-C01B-416C-8614-29EDE1314FD0
4
Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9FB5B69-A372-4D4A-8A6C-9B8B07ABE793
5
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44C3EE01-DC5E-4FC2-BB91-56E4930745A1
6
Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1699F6AE-DE1E-4F76-93F4-B81E9838C287
7
dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin'ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany diso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12C5478B-83C5-428E-8609-18C7B2626EF1
8
Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky hanaterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3655A218-1732-437E-BCB5-9DEE65DD865C
9
Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C36FF6B2-96F2-448B-A512-9436B3A384BA
10
Ary ho azy ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'ny olona ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F858195-97D2-41E6-95FB-7898CD378E6C
11
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6407F74C-0505-4020-90D6-8F334C2BB91C
12
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A745B669-3F7B-4E25-8473-567FA3CB9AB3
13
fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tànana izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A83E7AE9-0B46-4264-AFCD-2F92972744D7
14
kanefa misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE3D19C1-3855-46B1-87C0-68EF5AE03BA8
15
dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76C833D3-F54B-43D9-BA29-B4B59EE83EAD
16
Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A16C0AD-F803-4523-B997-3D3E7A7B1FD1
17
dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87BD271E-1E3B-4EF5-B7F7-3E43329F0B06
18
ary ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B70250C6-B8B0-45DE-805B-EFF5D570A9AA
19
dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana hianao, dia afaha amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B51515D-1495-40CC-AD58-27EB88E0E480
20
fa raha nivily niala tamin'ny vadinao kosa hianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7D35DAE-16CD-4773-A16B-5CE8D1747226
21
dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31EF26BB-BFB1-42A2-8415-CBA37B93C7B3
22
ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D74B6A49-32BB-4592-A20A-FCD5C7359D64
23
Ary hosoratan'ny mpisorona amin'ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin'ny rano mangidy ny soratra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC04D104-BC97-4719-B9AC-8932DCC26773
24
dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; ary ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C44EB088-0BAD-42DB-8681-88D82D528BBC
25
Dia halain'ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C944D9D-FD44-4B5D-B517-61CDA6E8234F
26
Dia horaofin'ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81D5EEC6-D13B-4217-ACDE-F09F9354B4AC
27
Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana zo amin'ny fireneny ravehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D39C478A-8C3E-4FCF-BA4D-A1A87992A946
28
Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan-anaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F77D36E8-78EC-4756-9AFC-F529DBB8BA7B
29
Izany no lalàna ny amin'ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka voaloto;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|676490A4-F744-4F05-872C-6039A092F8E2
30
na misy lehilahy azon'ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0633601-7A2F-422B-A904-D645E9CFBAB2
31
Dia tsy hanantsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF8B1CE4-4F16-4CAC-814B-54E49F0D3C63
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany