Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E715F274-44AE-41F1-87ED-688147BCC696
2
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B902E3E-23C8-4DB8-8B57-44E0AB898E9A
3
dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|865C654A-BB5F-4985-8C54-22083C5C3B27
4
Amin'ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6788BEEE-280E-4139-992D-DE8874A1601D
5
Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volon-dohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60F438B2-F3CA-4158-A57E-271FCA1F93B6
6
Amin'ny andro rehetra izay itokanany ho an'i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|495D6C31-9595-4B1F-8DB2-C377001BC2E9
7
aoka tsy handoto tena izy na dia amin'ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho an'Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5907CD59-4834-4F74-9394-5331CB132D1D
8
Amin'ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEE67E11-6B19-4D6C-B3CF-37EC0F3ADDB1
9
Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro fahafito no hanaratany azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEF8593A-D8DB-4BBA-A8A4-2404E7F9557C
10
ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|349781FE-4E66-430C-9E73-5BA18876FE74
11
Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1187B60C-E285-47BC-8B63-4E99992EBE48
12
Dia hanokana ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F39BC59F-D83F-448E-8892-0BF0E137C7C9
13
Ary izao no lalàna ny amin'ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|598AB378-B955-4243-AF11-D6A2781E94DB
14
ary hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona[Na: hatramin'ny iray taona no ho midina.] tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C289B16-6D06-4C2B-8675-16D4694938E4
15
ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69A16576-FBA3-4410-BC05-FDFE7815C412
16
Dia haterin'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C7AB72F-0D5D-484D-8138-ECBB17387049
17
dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D91FE4DD-9060-499B-9D66-4FC3C68ABC1E
18
Ary ny Nazirita hanaratra ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin'ny afo izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3660F76-485D-44F0-B714-F94E53A5E290
19
Dia halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy[Na: fe.] izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin'ny harona ry mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin'ny tànan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AF2A730-C51C-4BD8-B45C-71E95B2A7624
20
Dia hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka[Na. fe.] asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58627261-327E-4C3D-8695-7E1759863574
21
Izany no lalàna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FE1C435-0885-426B-85B9-861DCC646E34
22
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41EBF002-4FA6-4B00-9709-45099B596687
23
Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|614963EA-A3DB-4302-851F-D96C8F562F8D
24
Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|245496FD-7C92-4058-9B9B-3B86389F61B0
25
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C49E15D8-AF0A-41A1-A21A-B83596EA796D
26
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70BB4FE1-5F8E-4DC6-BE0E-F55B3A0F4D36
27
Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFC08BE6-DA3E-4E94-8742-279B58E42C4A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany