Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2157713-6975-4609-BE0D-48B69A448FEA
2
Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra[Na: manaingina.] ny jiro[Heb. lela fanaovan-jiro.] fito hianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6FE772C-66F2-4886-BDFD-8B0F902F8441
3
Dia nataon'i Arona izany, fa nampirehetiny[Na: nanaingina.] ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C76712AA-750A-4485-8499-6C86C9A6F69C
4
Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F190C2EB-D5D0-4F09-96EE-C1788D823C65
5
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AFF384A-B898-4299-9B92-D48A035DEE13
6
Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39919D53-259D-43F7-BB39-255468573F84
7
Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana[Heb. rano fanafahana ota.] izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68D628D4-FCF1-4B0E-8AA9-212CBE66A08D
8
Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EFC5EA0-B01F-4C6D-AA19-2566E3DB70CE
9
Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95A265C5-FEA5-42DA-8F69-24B6E5F6C26F
10
Ary ento ny Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0EF2E6E-33F6-42C1-83C6-8FDFCFEA9A27
11
ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3644F88-E1EE-4C04-876E-F5A3FBB3DB21
12
Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97B37751-7ADA-4CB3-A101-B1D9004F7A71
13
Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BA9D1DF-B41D-4E0B-B8EE-A0812D24B961
14
Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0864982E-4906-45B5-BC44-AABC068DA37E
15
Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|435AE439-DEC1-4801-BED7-26D52D5278F7
16
fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5B22313-09F1-4739-9801-5F02201A69F2
17
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E164DAA-5F3F-47F9-8115-44879A5EC1B0
18
Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19B564AA-04DF-49E4-9C03-E59F18F0D387
19
Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.[Na: noho izy manakaiky ny fitoerana masina.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9E3B44F-A713-42F8-A10B-5E1A3310B267
20
Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FF24A78-33A3-4678-B423-F27284410459
21
Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|804B6EAF-CA89-45AE-92E2-2D60049CA79A
22
Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B34256B-31D1-4E4E-83CE-46B2370E9065
23
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|574BD870-757D-46EF-9911-BE01DF74C796
24
Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana eo amin'ny trano-lay fihaonana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30A9D7BF-FAFA-46F9-ACF6-66360B29CF55
25
fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D02584B-B1A4-49B3-9B26-6BDA5613F484
26
kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F56C856-DDDF-4259-8A97-EAD58C741E0D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany