Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59607F98-2A24-4EBD-947A-AFBDA82A6260
2
Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8B3B15F-0894-451D-BEA5-3A53B95188CD
3
Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABE24EBA-FF37-4C82-8E76-EA770A81A770
4
Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6DC3590-A5AC-47EE-B09B-C5EA8EBE3671
5
Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|265726B7-7CAE-44E9-895E-9793554C353C
6
Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D06828EC-4F0D-4B63-9773-C7A0796BCA47
7
ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5ADF7326-3DD1-4CEA-A019-4E46217CBB70
8
Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C68B795-0F23-4F85-A9E8-673E269288EC
9
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D63B723A-E740-4C43-B18E-8E4058E443AC
10
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D75DFDA2-585B-47CF-8CF2-2E271DF18E93
11
Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9789E26-9A2F-4963-9517-0D7513C43CBC
12
Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EC0C58B-816D-4CAA-B266-D7CC59DA0A47
13
Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF0A655C-C18D-4722-A7FB-AFE080FBAA3D
14
Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C063FA66-C364-4B6B-BC36-E2906DB6B3E3
15
Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona;[ Dia ny Didy Folo ] ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarainan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6062C7AA-B00B-43C8-A9D9-FCECA0476A2A
16
Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4969C39D-7046-43DC-B069-F569307CFB8A
17
Ary rehefa niakatra niala tamin'ny trano-lay ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka teo amin'izay nijanonan'ny rahona no nitobiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C166F4BC-7A0B-4873-896E-3B8711876DD9
18
Araka ny didin'i Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa no nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely no nitobiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0688F281-CBDD-46DE-A4D9-198F8CA336A8
19
Ary na dia nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0488466C-B4AA-41B2-A512-002BD616A6BF
20
Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah ihany no niaingany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|999F3A05-E451-497F-B408-A8B0D2B11857
21
Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|171B709A-324F-4710-85B5-5128BEB6831A
22
Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5449418B-B323-4199-9F6A-DF517915FB6A
23
Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Mosesy izay nampitondrainy an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0A79A46-B76C-4CF3-B007-82BA0B18C2CE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany