Andininy Protestanta Malagasy 1 Tamin'izany andro izany no nilazan'Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho ety amiko ety an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68E04908-D63D-4FAF-8B79-A12CFFA88379 2 dia hosoratako amin'ny vato fisaka ilay teny teo amin'ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin'ny fiara ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B52C17EF-1115-4860-8F60-A7052451EC92 3 Dia nanao fiara tamin'ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tànako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDD9D9AC-E8F8-4B32-8390-A5A8E39B0E72 4 Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo[Heb. ny Teny Folo.] Izay nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny afo tamin'ny andro nivoriana; dia nomen'i Jehovah ahy ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E4A2D80-0926-4789-AAE7-17FF3F519FC4 5 Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin'ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin'ny fiara izay efa nataoko -- dia mbola ao ihany ireny -- araka izay nandidian'i Jehovah ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EE33237-AD96-4C82-9147-2D94293F139B 6 Ary ny Zanak'Isiraely nandeha niala tamin'ny fantsakan'i Benejakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan'i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19C11126-D759-47A3-B161-3FBCD1BFCD01 7 Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AD42C86-C0F9-4436-A635-40C0860D57B4 8 Tamin'izany andro izany no nanokanan'i Jehovah ny firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy hijanona eo anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anarany mandraka andro-any. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4BD8407-C418-4165-9E24-5BB20981F3E1 9 Izany no tsy ananan'ny Levita anjara na lova eo amin'ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrao taminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AAA714F-E042-4671-A56F-15EE32744CD5 10 Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin'izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B50C4F94-F237-416B-B82C-C0AA3468E02E 11 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan'ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin'ny razany homena azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A936378D-61C6-48F2-9721-7D6DCB566EF8 12 Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny làlany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80817B03-8C18-47B2-B582-F0F6A815C15C 13 hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa hianao? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61070941-7910-4D1B-BAA8-0F774536FABB 14 Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03C2781B-6040-46A0-ACD4-54AE0BF9C64B 15 Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|486CD70C-8B77-4A23-9DEB-7CFAAF0A051C 16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2630983-1C0A-48F8-98CC-9EDC04227C3F 17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra[Heb. Andriamanitry ny andriamanitra.] sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7E6DD2F-B2F2-4338-AA83-848784426CA4 18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F49FEE6-5B3F-44E8-94E9-5615A749C5E7 19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|507AB848-6FBF-467A-BAEC-712AA0182BD6 20 Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F18BE278-CED9-4007-8E9A-996226EB37C6 21 Izy no fidéranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C56F3623-7E35-43E1-BAC5-C7DE0359B0F3 22 Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DAA36D9-6B89-4729-99CF-1DCA85423579
|