Andininy
Protestanta Malagasy
22
Aloavy tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|487E76EE-1C9B-48E4-97CC-A3498CB8A0E1
23
dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman-osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C87BD69-BD57-4788-A871-668A8FAC0880
24
Fa raha lavitra loatra ny làlana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany hianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin'i Jehovah Andriamanitrao hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50B8D975-BC05-4ED4-A7B8-F5A1AFEA5110
25
dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tànanao hankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|261C1951-E572-46E5-A5FE-C42825D5F194
26
ary ny vola dia amidio izay rehetra tian'ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian'ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin'ny ankohonanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C5D9D7B-1975-48EF-973D-AEFC6A5B330D
27
ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|178481BE-6E28-41B2-A17E-82D71AFF7B3F
28
Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F1F2210-AF8F-4D5E-98F2-5F62DE835BC4
29
ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao hianao amin'ny asan-tànanao rehetra izay ataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AE6E7B1-F1CC-4EE4-8206-D53818741D73
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany