Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E99C3FD-97DC-4BBA-B8CD-A7CAEDE92B17
2
Ary izao no ho fomban'ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin'ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF292515-4CC4-4BCE-9379-456932EB39FD
3
Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin'ny rahalahinao kosa dia hafoinao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3C4676E-5C7D-4E18-AFAE-428C9051E539
4
kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEC4C6E3-11D6-4E62-8613-D2F0D07A2F10
5
raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DEC8C79-3189-4808-A99A-B74DE61C0D98
6
Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro hianao, fa hianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro hianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB600444-4577-4786-8C9D-721FEFF1C38C
7
Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin'ny taninao izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tànanao, amin'ny rahalahinao malahelo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D021028-68BB-499F-82EB-A13E39E51842
8
fa sokafy tsara aminy ny tànanao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D80DC3CC-BE91-47FA-A2AC-D960687FBD22
9
Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo hianao, ka tsy hanome azy akory hianao; ary hitaraina amin'i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54956E08-F90B-49A3-92E7-3154F508E614
10
Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao amin'ny asanao rehetra sy amin'izay rehetra ataon'ny tànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|658B0C53-9A13-4F00-91FA-1051E385AA25
11
Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tànanao, dia amin'ny malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|983FDBCB-032B-4D11-A586-89DEE061B7DC
12
Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin'ny taona fahafito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A35652F-E509-4839-9BB8-A9ABD3996C6F
13
Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5685A35-65D0-45BA-ADB6-5BFE36557435
14
fa hisy hampitondrainao azy avy amin'ny ondry aman-osinao ary avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|474A7DDA-5446-4F41-B4FA-E3C80BAA9FDF
15
Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta hianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|539BAA00-432A-49E8-B494-B3BE0555B260
16
Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny hianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99ECD731-4098-4198-B743-8BE7E9C33C02
17
dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin'ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin'ny ankizivavinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA2104B2-F1BB-41FB-8D93-0890F869C1F4
18
Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman'ny mpikarama no azonao tamin'ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra ataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFD48AB2-D3D3-4A9F-BC62-12CE9E14E7FF
19
Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman-osinao dia hohamasininao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman-osinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3265EA93-212F-473B-8BA1-B932FA024DF1
20
Eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4F63EE8-62C2-49C4-A4A1-DBAA5C8C0A9E
21
Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E119C26-BF09-4E71-855D-565A2EC63456
22
Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CBABF00-A44E-48B0-B949-F580C2C4AC2D
23
Kanefa ny rany no aza hanina, fa aidino amin'ny tany toy ny rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|905431CA-E618-4F82-A270-EB62966A7C39
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany