Andininy Protestanta Malagasy 14 Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao hianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91EBA4DB-F214-488C-8F76-6DF2F7DDBE0F 15 dia izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin'ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin'ny rahalahinao hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A15811A-2C49-4D9E-AD26-3E8ED13AC06D 16 Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany làlana izany intsony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|669DF938-A5CE-4ABB-987C-75BA07BDBCAD 17 Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26A2E96D-03C7-4F99-86BA-E1EF25A2658E 18 Ary rehefa mipetraka eo ambonin'ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin'ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin'ireo Levita mpisorona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8D15016-A77C-49C5-A37F-688C1AEDACD7 19 Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|072D776C-ECFD-41F8-A7EF-0B7C17276E19 20 mba tsy hiavonavonan'ny fony amin'ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin'ny lalàna, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba ho maro andro amin'ny fanjakany eo amin'ny Isiraely izy sy ny taranany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EB470B6-6775-4944-BB03-6546ADFBF5AD
|