Andininy
Protestanta Malagasy
9
Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao hianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon'ireo firenena ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44F66D04-F326-4F00-8333-21B87B7868E4
10
Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0F18160-FA6C-4FF2-8737-C25D9E6718A6
11
na manao ho masimbava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FE2DBC5-E3AD-48B5-81D1-CC79710C7B28
12
Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2595717-D856-4DFF-AEFE-617BE34323BD
13
Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B43CDDBA-CC10-4D7D-B24A-2A8E87C309D3
14
Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa hianao kosa tsy navelan'i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5550F9C-3033-438F-ADAE-87DA39C7C7E8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany