Andininy Protestanta Malagasy 1 Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra tamin'ny làlana mankany amin'ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain'i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seira ela ihany isika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DA833A1-3C91-4C5D-8BDE-DA5F990C33C5 2 Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1241E5B9-CEC1-4B13-A969-96A583D4A857 3 Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11960ED0-9D2A-483F-9163-BFC33225B14B 4 Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin'ny taranak'i Esao rahalahinareo, izay monina any Seira; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara hianareo, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|498DFA46-46FD-4CF5-B182-5B24FCA2CF97 5 ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46A85E30-C9E7-491D-8802-E8F73A46CB39 6 Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3BE4D83-582F-4898-B2A6-D653ADA82571 7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin'izay rehetra nataon'ny tànanao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD31A82C-A137-4774-B760-ED8E305DED0C 8 Ary raha nandalo ny taranak'i Esao rahalahintsika izay monina any Seira isika ary niala tamin'ny làlana amin'ny tani-hay [Heb. Arabà.] sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin'ny làlana mankany amin'ny efitr'i Moaba. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BA073B9-8A80-4437-A4C9-5215DF1F1F15 9 Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B504CD9-1280-46CD-AA52-BDA7D5300CE5 10 Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB1A20A7-A2E8-422A-9165-F75D74BE2073 11 Ireo koa no natao ho Refaïta tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|867C8144-F4AA-41EB-8006-8A0AA46029EE 12 Ary ny tany Seira dia nonenan'ny Horita, fa ny taranak'i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon'ny Isiraely tao amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy ho lovany.) qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C736B04B-12DB-4AB8-8FE9-2C3FF144DFDF 13 Ary miaingà hianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4747204-BBAC-4B2F-A7A7-6B7B0B851FF2 14 Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin'ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran'ny mpanafika rehetra tamin'izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby, araka izay efa nianianan'i Jehovah taminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|291E362E-ED69-4A3F-A705-0EC738EE6D9A 15 Ary koa, ny tànan'i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CC5C05E-81E3-4D5E-8276-E746C83016F8 16 Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3284C7EC-2DC0-41C5-88EB-4A5EC36B6DB2 17 dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F2A3963-0DD1-409A-98E8-DCDBEF57D515 18 Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba hianao ka hahazo any Ara, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB1FB43B-2788-4469-9DB0-5E0E6B23CF55 19 dia ho tonga ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin'ny taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D221B7A-8BE2-4FD3-B29D-231CFAB3C82E 20 Izany koa no natao ho tanin'ny Refaïta; fa ny Refaïta no nitoetra tao tany aloha ka nataon'ny Amonita hoe Zamzomita. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EB9A01C-3D57-4933-978E-648CF2AADDD1 21 Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B6BC190-FB15-4309-9C4B-E7DDC02FED4A 22 araka izay nataony koa ho an'ny taranak'i Esao, izay mitoetra any Seira, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka andro-any; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39FF1125-094C-49E1-8247-BA073466E4F1 23 ary ny amin'ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan'ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C574A85-BBB8-4C8C-BC6A-D1FD988D8BC5 24 Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona hianareo; indro, efa natolotro eo an-tànanao Sihona Amorita, mpanjakan'i Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|518A8E70-F43C-48DC-B590-B4F27E834A13 25 Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin'ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8B6610A-573D-4D95-A174-42EED1A907F7 26 Dia naniraka olona avy tany an-efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A88AC5C6-E7FD-439C-A983-29D21CD01111 27 Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny làlambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3254083-85E1-4E6C-823B-6066607449AD 28 vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C9C8429-6D02-4C3D-B0C5-4C90805488DC 29 (araka izay nataon'ny taranak'i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitray anay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1CD4706-93C9-4C74-8085-4C8C79B6308B 30 Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tànanao tahaka ny amin'izao anio izao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CC1E0CB-5758-43F2-8EC1-920D0C01F63D 31 Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an'i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01195ED9-99D2-431A-9C89-A55A9327CFCD 32 Dia nivoaka Sihona mbamin'ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DFC051E-C313-4185-896C-2504849F9052 33 Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|052305BF-EC28-4A15-8700-33D877764436 34 Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany isika ka nandringana[Heb. nataontsika herema.] ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05270EC6-5921-4748-A691-4A86AF79C76D 35 Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin'ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4D2AFBE-59BD-475C-B149-BB270E91D496 36 Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09F7D134-0820-408D-8F68-3D192DA84261 37 Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ADD4343-2FB7-40C2-A0E7-C62E49CFEF8D
|