Andininy
Protestanta Malagasy
1
Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao hianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho hianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, no momba anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|633179B3-A74D-4885-9920-C89092EC9912
2
Ary rehefa hanafika hianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin'ny olona hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20AAB0A6-0F71-4E78-B9E0-6CEFB37D645B
3
Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo hianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF03EC2F-19E0-4F23-8589-3394F6652CC2
4
fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BC194C7-8361-4288-936B-AC8426ACF469
5
Dia hiteny amin'ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B04B3CAF-E231-427B-8D6A-1A324838F401
6
Ary iza no olona izay efa nanao tanimboaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD6DA0C0-CA79-4545-86A6-2C7902463410
7
Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26DD3975-C6B3-4089-B4FB-B92AC342355C
8
Ary mbola hiteny amin'ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon'ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98C75EC9-342E-4D44-B767-BA9071A3D42F
9
Ary rehefa vitan'ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin'ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6A8F575-82D6-4ACD-9DFF-06DCAB646E23
10
Raha mby akaikin'izay tanàna hiadiana hianao, dia milazà fihavanana aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B5ACDAB-6CB8-48D4-8116-95CA7231ED49
11
Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9C84DA0-3F6B-4454-953C-CD769B96E91D
12
Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81A45039-8BBD-4D1E-AB2C-ED38AAE59133
13
Ary rehefa atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tànanao izy, dia hovonoinao amin'ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95433569-DB3F-4903-ADA0-C29338BFBC39
14
Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin'ny fahavalonao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C622357-AFB4-4954-B75F-21EC090EE991
15
Toy izany no hataonao amin'ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan'ireto firenena ireto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AEACB9D-B42D-4B6D-8D18-5884E6115BA1
16
Fa ny tanànan'ireto firenena ireto kosa, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50F4C0C6-E303-4CD5-B141-5902127ABE83
17
Fa aringano[Heb. ataovy herema.] tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9BA0E41-7F38-4219-8B84-8E0A41E8D10A
18
mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin'ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|042A322D-920D-45E0-93DA-D69D7C088BD4
19
Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin'ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin'ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|001B7D8D-0E7F-40E5-A266-A5F4FAF43956
20
Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DAF3146-EC7E-418A-982A-A95D9F8309D4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany