Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin'izay nandrian-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB9CB108-55A8-46E8-87BE-36FB0BDCC18C
2
Tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D56E659-29B8-4ABE-8999-C6B89E972FD3
3
Ny zazasary[Na: zanaka tamin'ny olom-pady.] tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|658DEBC2-5856-4BBA-BD22-E1E8779A7B0C
4
Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah hatramin'ny mandrakizay ireny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE123A2E-4E27-4EA4-903C-B183A8687DF5
5
satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dàlana izy, raha nivoaka avy tany Egypta hianareo, ary satria nanamby an'i Balama, zanak'i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE4E060D-8CAC-4483-A3F9-D665290D0601
6
Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an'i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22D932F6-76DB-4129-AA35-455D01DC7FE2
7
Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin'ny andronao rehetra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F1DE8AF-E67C-4314-8BC5-7AC8279CFA32
8
Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin'ny taniny hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1E6383A-004E-4609-B38B-EACC115E3AFB
9
Ny zafiafin'ireo dia hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8967412B-DFDC-49E4-B0DD-D46666C74B6A
10
Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7929A307-F418-427E-8A7C-3B6E91847B5A
11
Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B46BDD78-7569-4147-9CF0-AC5FC0FAC966
12
Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BF56A52-1AD5-41F2-BF8D-E0C03DAA3D58
13
Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8437E5D3-2D9E-4A7D-B20B-086AB2C0ECD3
14
ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany hianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE7F1190-8068-44E1-B488-4DA94DC6D6B9
15
Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0BF924A-43E3-4597-B309-773CF5FCCCB8
16
Aza atolotrao amin'ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD52B30B-437A-48AC-9C74-7CE8970B032D
17
Eo aminao no hitoerany, dia eo amin'ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AC18B71-90E6-40A6-AFD9-C53A1EECC01F
18
Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|078389D8-27C0-4768-99FA-03623EC36BA9
19
Aza mitondra ny tangin'ny vehivavy janga, na ny karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D76CE08F-688A-4313-9F7C-38119F6B8841
20
Aza mampanàna zavatra amin'ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26AA9DA9-73B9-417B-9ED4-BC1EF8252077
21
Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao hianao amin'izay rehetra ataon'ny tànanao eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83B2CD5A-B670-47F6-B373-31287E8D97A0
22
Raha mivoady amin'i Jehovah Andriamanitrao hianao, dia aza ela fanefa; fa hadian'i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72500E3E-042E-49ED-8988-5EF74CE9D1D5
23
Fa raha tsy mivoady hianao, dia tsy fahotana aminao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ACC5042-9724-4EA0-968A-487FE4920C69
24
Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin'i Jehovah ihany, dia izay nolazain'ny vavanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FFEF727-283A-4BD4-B1A7-4679D4BD7681
25
Raha mankany amin'ny tanimboaloboky ny namanao hianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|895A0BFD-287C-4DAD-9901-3DFC5151F04D
26
Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao hianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tànanao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE707826-C249-4100-BF75-7F9D7E3C110A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany