Andininy
Protestanta Malagasy
1
Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|376EAE64-F1F9-444B-AF81-0539734F3105
2
Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|808A4874-1885-4A73-933F-1D24756B2B1F
3
Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCB12E7F-111B-4DD7-8CA4-805930A61ECB
4
ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A41A2744-8DE4-4759-9D0F-757C15C8BBF0
5
Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76290168-3AB6-4C45-A06E-8DD7C050B51E
6
Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatôka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatôka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|352FD08E-81B3-47C7-9382-9B5F4D9ED23E
7
Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin'ny Zanak'Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11FDA9FC-A749-4FC0-B442-A0389DF3E6AE
8
Mitandrema ny amin'ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron'ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B14B7F7D-22DB-46F4-B55E-3423AD7DD846
9
Tsarovy izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Miriama teny an-dàlana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5129C0B9-E87D-470C-8944-2D7E1BCE5452
10
Raha mampisambo-javatra ny namanao hianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93D55E1B-F256-4AA7-B3E3-0B7171245061
11
Mijanôna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A40052B-E675-4E19-A3F5-793FE0AB0D4C
12
Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AFEB03A-40E7-4DA1-8451-ACE23606ABD6
13
fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A25F85B6-658C-4D5B-BEAC-C775F6AFAFAC
14
Aza manao fitondrana sarotra amin'ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin'ny taninao sy ao an-tanànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F594CC33-7F0A-4FE7-B42D-E3B2A57EE28B
15
Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin'ny fony; fandrao hitaraina amin'i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12D2DED0-CE86-48BC-87CC-3C2A33DCFAB6
16
Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ihany ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B446E434-9214-41A5-B866-2404FABD791A
17
Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho tsatôka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C101B92-52E1-47A5-91BF-4569C438A22B
18
Fa tsarovy fa andevo tany Egypta hianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7A50865-EF0F-4B8E-AB64-BD8401CB8DCA
19
Raha mijinja ny varinao any an-tsaha hianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao hianao amin'ny asa rehetra ataon'ny tànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEC45D83-187B-4B88-8BE2-F9C549A9B97E
20
Raha manintsana ny hazo olivanao hianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92DA600F-FCDB-4F64-8BED-2FAD7CC94AD0
21
Raha mioty ny voalobokao hianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1452763E-0269-4B7C-98D7-923F60B83855
22
Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta hianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BC5DCFC-000F-49A3-89FE-EAA6606D345E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany