Andininy
Protestanta Malagasy
1
Raha misy olona manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana ary tsarain'ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF6BE58E-9AB6-41DF-B42D-70F4E8DF65E8
2
Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin'ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan'ny kapoka hatao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|540B57B5-89E1-40D1-9956-3518E67AD81C
3
Hatramin'ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C483F3D2-64A2-40B0-BA98-20B50321733C
4
Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A965A55E-DA05-4985-B73A-A927C129005E
5
Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin'ny maty; fa ny rahalahin'ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE2731FA-DCA9-4B98-B2AC-52BB7CE6738E
6
Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran'ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin'ny Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|502DFC16-527E-41BC-A020-EA5816401206
7
Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin'ny vavahady ho eo amin'ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin'ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BD3E6C6-0A39-4DC3-9411-676710EF1EA0
8
Dia hantsoin'ny loholona amin'ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DFCF3CD-D302-47A5-8DE8-E734DF72005F
9
dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60C2A104-38BA-455F-8877-791BC0DAB44D
10
Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88F2D0CA-017C-47E8-90A7-BC722698F92F
11
Raha misy olona miady, ary ny vadin'ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin'ny tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AADE0E37-C5A3-4E40-AEA3-4FF35341501A
12
dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A97893D8-6415-43B5-AD47-7F7005892903
13
Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67D224A5-A3CA-4769-9EC5-CB48ECD00FE9
14
Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25F656EE-9728-4080-A5B7-E8A75B3E2496
15
Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro hianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3DA49C1-C53B-413F-B347-E168DA33BB1D
16
Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|481F2612-594B-4FF5-AC5A-727B32E122E2
17
Tsarovy izay nataon'ny Amalekita taminao teny an-dàlana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95B6B0EF-CF58-4B73-828C-426D6B5E627E
18
dia ny nitsenany anao teny an-dàlana sy ny namelezany ny vodi-làlanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra hianao; fa tsy natahotra an'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E426FCC-E9AA-482E-BC2B-A3213FF3619E
19
Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina hianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|437AD7C1-ACF7-47FE-ACC3-1FD6414D08B6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany