Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa tonga ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao hianao ka mandova azy ary monina ao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|762F825D-A9CF-4FD3-B059-DB24EFF3E903
2
dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin'ny tany, izay alainao avy amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB9ED82B-749F-4ECB-89BC-1F3B0B0EAF84
3
dia mankanesa amin'ny mpisorona amin'izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin'i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razantsika homeny antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|470B78C2-D98F-48D8-92F3-91580B750A08
4
Dia horaisin'ny mpisorona eny an-tànanao ny harona ka hapetrany eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D264483F-BA8E-46A9-B6F0-9A01BBBC1891
5
Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hanao hoe: Syriana[Heb. Aramiana.] mpanjenjena[Na: saiky very.] no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|546CD810-4499-42C3-9042-4CA8D9D7A3D2
6
Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29E82504-6999-4A3C-877B-9AB1DD7FFFAA
7
Dia nitaraina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45DE782D-8477-4786-88D0-4A4DB54C02CB
8
ary tànana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45F23ED6-B972-4B4F-9E20-514CDE59E959
9
dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73ADC2B6-FEB0-4565-A456-016A362AEBC5
10
Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F658F83-40AC-46D0-8CAA-38D8CE865E72
11
Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao hianao sy ny Levita mbamin'ny vahiny eo aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FEE2C50-4450-43D4-B71E-BAC91B9BEBF8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany