Andininy
Protestanta Malagasy
1
Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C21B7AB-C988-4432-9BDA-218DB113D011
2
ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao: --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9A7FC05-13A0-4750-903E-B64E5FFCCE27
3
Hotahina hianao ao an-tanàna, ary hotahina hianao any an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C94EC779-0CD9-4399-A287-9E2DF7D2E646
4
Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D5431C6-F31D-4AC5-AA4D-A8B8B4B0B066
5
Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00827805-6CA2-4069-9CF1-C2703A504D0E
6
Hotahina hianao, raha miditra; ary hotahina hianao, raha mivoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3568C9E1-76E6-4BDB-8C7B-E3F256840774
7
Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka làlana iray no hivoahany hanatona anao, fa làlana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A638806-08E5-4BD1-A01E-844B7C6FCA66
8
Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tànanao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D1F55EE-D26C-452A-8BD9-C02C6FBE4771
9
Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mandeha amin'ny làlany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|243449C2-9ECD-418C-865A-469401E0B1E7
10
Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FA97AAE-8CFA-4D4D-BA7F-A589B27DC868
11
Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52419FE8-C791-485C-8217-18C41235AC22
12
Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tànanao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro hianao, fa hianao kosa tsy hisambotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31D13881-D3A4-4097-AE5E-B42793842C84
13
Dia hataon'i Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa hianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F85DCFFC-25FB-4D90-AA17-F412887C6B49
14
Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA410E51-E29B-4741-8A12-9C8A34B97EC7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany