Andininy Protestanta Malagasy 1 Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany hianao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C21B7AB-C988-4432-9BDA-218DB113D011 2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao: -- qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9A7FC05-13A0-4750-903E-B64E5FFCCE27 3 Hotahina hianao ao an-tanàna, ary hotahina hianao any an-tsaha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C94EC779-0CD9-4399-A287-9E2DF7D2E646 4 Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D5431C6-F31D-4AC5-AA4D-A8B8B4B0B066 5 Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00827805-6CA2-4069-9CF1-C2703A504D0E 6 Hotahina hianao, raha miditra; ary hotahina hianao, raha mivoaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3568C9E1-76E6-4BDB-8C7B-E3F256840774 7 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka làlana iray no hivoahany hanatona anao, fa làlana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A638806-08E5-4BD1-A01E-844B7C6FCA66 8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tànanao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D1F55EE-D26C-452A-8BD9-C02C6FBE4771 9 Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mandeha amin'ny làlany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|243449C2-9ECD-418C-865A-469401E0B1E7 10 Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FA97AAE-8CFA-4D4D-BA7F-A589B27DC868 11 Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52419FE8-C791-485C-8217-18C41235AC22 12 Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tànanao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro hianao, fa hianao kosa tsy hisambotra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31D13881-D3A4-4097-AE5E-B42793842C84 13 Dia hataon'i Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa hianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F85DCFFC-25FB-4D90-AA17-F412887C6B49 14 Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA410E51-E29B-4741-8A12-9C8A34B97EC7 15 Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa hianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao: -- qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FE52D37-352F-4063-A770-1D060B58158C 16 Hozonina hianao ao an-tanàna, ary hozonina hianao any an-tsaha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A757F617-BF73-4114-84DC-8AC51E3C3FE3 17 Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A671C032-CD0F-4C2A-9767-8F77B10D1546 18 Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7568644D-7668-4D93-B685-018281A3636A 19 Hozonina hianao, raha miditra; ary hozonina hianao, raha mivoaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61954E15-EB6B-4B8A-BCA1-4901A99EC5E2 20 Hampandehanin'i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin'izay rehetra ataon'ny tànanao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian'ny nataonao tamin'ny nahafoizanao Ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|783B8A0F-3AD6-4951-AB1C-69534D78968F 21 Hampiraiketin'i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B83546C-21DA-411F-A943-C76E29DD2822 22 Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona[Na: sabatra.] sy vary main'ny rivotra na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7EEF3F5-5C03-454D-AB89-E71167B6D04C 23 Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin'ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3136036A-801B-4BAE-93A6-37BF2F4ED678 24 Hataon'i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin'ny taninao; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao mandra-paharinganao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|786B8FEE-D23F-47AA-843C-B92E4269A48F 25 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloan'ny fahavalonao hianao, ka làlana iray no hivoahanao hiady aminy, fa làlana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra[Na: ho fampangovitana ny fanjakana rehetra.] ambonin'ny tany hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85BB65DF-BFEC-43DA-8D67-1708D74E3654 26 Ary ny fatinao hohanin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44D73911-2B27-439A-B78A-7F677586CE97 27 Hamelin'i Jehovah anao ny vain'i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody); qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF03E04-8830-479C-AE8E-E7C17D373532 28 ary hamelin'i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC9202A8-C2DC-4CBB-A72D-14D279FF6F54 29 Dia hitsapatsapa hianao na dia amin'ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan'ny jamba ao amin'ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin'izay halehanao; dia hampahorin'ny sasany sy hobaboiny mandrakariva hianao, fa tsy hisy hamonjy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8916683-C9CF-4DD4-B381-C5CCC02BDFBF 30 Hifofo vady hianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano hianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanimboaloboka hianao, fa tsy hihinana ny vokatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73EAE54F-297D-4589-9CE4-B9A227D3D43F 31 Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany hianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman-osinao homena ho an'ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A8BEE70-BBDF-4C58-845F-C1FD846416DE 32 Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tànanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|281627B2-E8EA-4468-B482-CD153D871DCA 33 Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin'ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan'ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6BEF94A-FBBB-4F56-B9CC-E4A2876EE91C 34 Dia ho very saina hianao noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0024580A-A70D-453E-BD0A-19B515E6223C 35 Hamelin'i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin'ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin'ny faladianao ka hatramin'ny tampon-dohanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D38E9D84-7B0B-468D-8894-13CAAA0D6CCE 36 Ho entin'i Jehovah ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao hianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E2A8B6C-0A8F-48BD-985C-B93F65E82C09 37 Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny hianao any amin'ny firenena rehetra izay hitondran'i Jehovah anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4017E3DB-9CE1-4A30-A1AD-635FD72E6151 38 Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin'ny valala ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD44C1D2-F1FF-4682-AAD6-159B97A08C6E 39 Hanao tanimboaloboka hianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka hianao, satria ho lanin'ny fositra ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|705DD06B-8044-41B7-8FA6-C7211388C04B 40 Hanana hazo oliva amin'ny taninao rehetra hianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|941C403A-1614-4D17-92CD-576EF7E679DE 41 Hiteraka zazalahy sy zazavavy hianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E63969E-98AC-4A89-8629-05562BCE318D 42 Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin'ny valala. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CDE9A57-1D34-4095-A338-BF967AD590D8 43 Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho hianao, fa hianao kosa hietry ho ambany dia ambany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B2091F0-F7E8-4B62-A169-ED1C8CB053C7 44 Izy hampisambotra anao, fa hianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa hianao ho rambony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EB19463-C37F-4603-A33C-382F413E127C 45 Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACA82537-B410-41C3-89D5-62CE26040DB3 46 Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A657610-5D5E-4260-A9B9-928631FBF7C6 47 satria tsy nanompo an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny fahafaliana sy ny faharavoam-po hianao noho ny habetsahan'ny zavatra rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E44A804-944F-42B0-BD30-B91CB55FDC9E 48 Any amin'ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin'i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin'ny vozonao ireny mandra-pandringany anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0867A0D0-3A4E-49F6-82F6-2BEC0B6665EE 49 Ho entin'i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny tany - tahaka ny fanidin'ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF220002-F9DD-4CF4-A1C5-430F865F1AC2 50 firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora -- qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06D18629-8B0C-4BA0-AEE8-3EA44F732E6F 51 dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman-osinao, mandra-pandringany anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|682FBD70-82B4-4779-A8F1-AC5507A8B229 52 Dia hataony fahirano any amin'ny tanànanao rehetra hianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran'ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano hianao any amin'ny tanànanao rehetra eran'ny taninao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CD28036-C5E4-450E-B9FA-3435B545507F 53 Ary eo amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42EFF579-0DD1-4B44-9960-CB26CA432E59 54 Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BAFB19C-7FFD-41CA-921F-1DE380F7A456 55 ka tsy hisy amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49D6194B-33EF-470C-B24B-5AFAE2FC65AA 56 Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fijery ny vadiny andefimandry sy ny zanani-lahy ary ny zanani-vavy qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE607455-E0D2-4561-B493-EF644A1DABEB 57 noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F385412-0076-4139-B690-C00088BECF3A 58 Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin'ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: Jehovah Andriamanitrao, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AA5823E-0AC7-4FC5-8629-98A73B5C798F 59 dia hataon'i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|089C1470-B8E1-4CD7-A0C6-4F351B9BDE36 60 Dia haveriny aminao indray ny aretin'i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CAA5168-0BCD-40ED-897E-0BEE3C448B69 61 Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin'ny bokin'ity lalàna ity aza, dia ho entin'i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9361C421-AC88-49F6-92A6-56715F2B12A0 62 Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin'ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62023E03-CB08-45C1-9D6E-97A4E6E4915A 63 Ary araka izay nifalian'i Jehovah taminareo hahasosa hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian'i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana hianareo tsy ho eo amin'ny tany, izay efa hidiranao holovana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FDEDC5F-56F2-4017-AE74-7912CAD1B311 64 Dia haelin'i Jehovah any amin'ny firenena rehetra hatramin'ny faran'ny tany hianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85EDEBC2-380B-451E-8E6D-9EC5381374E8 65 Ary any amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan'ny faladianao; fa any no hanomezan'i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|785688FB-C6A0-4841-8CC8-02BA710EDBF1 66 Ary ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman-alina hianao ka tsy hanampo izay ho velona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BCA831D-5C9E-4BC1-A25E-4A5EF4618692 67 Nony maraina ny andro dia hanao hoe hianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe hianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|096B2D5F-B6FC-464B-AB1D-952FE6B7A6CB 68 Ary hianao ho entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin'izay làlana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony hianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo hianareo, nefa tsy hisy mpividy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3CDC3B3-9DEC-4EE5-BAC5-CE191B074BE7 69 Izao no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40916239-9214-4495-825B-1DAC63BAA886
|