Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0CD7E2B-F4D6-453C-B1A0-56E7D8E8845B
2
ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4123DFC2-D7AB-4301-9627-4D3B793585B4
3
dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao hianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E917A9F-A0C1-488A-BFE4-2576728BBAAE
4
Raha misy aminao voaroaka any amin'ny fara-vodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBAEE68F-2AE6-49D8-A62E-E72929948D09
5
Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao hianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88993EB2-E973-489C-911C-6163A7F04C41
6
Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EA9C549-7669-4D7B-A57A-14C38B9EAFD0
7
Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C5AFFB9-5ED3-4766-ACB1-08C52B568A10
8
Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray hianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F17E0A1-3E87-4AFF-9B2E-DF174DC3AF0E
9
Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy hianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tànanao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C5E7CB0-2E10-4A25-A179-CF5672E084E0
10
raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADF5617B-1F02-4B07-BB28-607BBD34C48D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany