Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0CD7E2B-F4D6-453C-B1A0-56E7D8E8845B
2
ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4123DFC2-D7AB-4301-9627-4D3B793585B4
3
dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao hianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E917A9F-A0C1-488A-BFE4-2576728BBAAE
4
Raha misy aminao voaroaka any amin'ny fara-vodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBAEE68F-2AE6-49D8-A62E-E72929948D09
5
Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao hianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88993EB2-E973-489C-911C-6163A7F04C41
6
Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EA9C549-7669-4D7B-A57A-14C38B9EAFD0
7
Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C5AFFB9-5ED3-4766-ACB1-08C52B568A10
8
Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray hianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F17E0A1-3E87-4AFF-9B2E-DF174DC3AF0E
9
Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy hianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tànanao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C5E7CB0-2E10-4A25-A179-CF5672E084E0
10
raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADF5617B-1F02-4B07-BB28-607BBD34C48D
11
Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F3B6B74-B143-405A-BF80-FC1AD97BDDDC
12
Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB338436-FB77-42DB-B205-62FE45739364
13
Ary tsy any an-dafin'ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin'ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|123C3F05-3D51-463A-8A06-435B12BB3297
14
Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A78ABFB9-8204-4D19-B4B1-DA4207B554BB
15
Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7773AC9-5AD8-46C3-83B1-9B0A22D47CCC
16
tamin'ny nandidiako anao andro-any ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny làlany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona hianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12BCB0CA-E07C-4877-BB38-7BFAC2AA3671
17
Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino hianao, fa voataona hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93218F9B-208F-42F2-814B-DE9CB157B048
18
dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa hianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A79D38A-8A7D-486A-A657-46717F327A23
19
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB1E25B6-F39A-4809-B7EE-A5409C84E0B6
20
dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany[Na: izy.] no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23C58DD5-4782-4DB6-B8A9-672CE3EECA23
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany