Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0CD7E2B-F4D6-453C-B1A0-56E7D8E8845B
2
ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4123DFC2-D7AB-4301-9627-4D3B793585B4
3
dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao hianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E917A9F-A0C1-488A-BFE4-2576728BBAAE
4
Raha misy aminao voaroaka any amin'ny fara-vodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBAEE68F-2AE6-49D8-A62E-E72929948D09
5
Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao hianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88993EB2-E973-489C-911C-6163A7F04C41
6
Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EA9C549-7669-4D7B-A57A-14C38B9EAFD0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany