Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin'ny Isiraely rehetra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA13AB0A-E3C1-42AC-AB9D-080DCE989088
2
ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona andro-any aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F626A41-C3A3-4F76-93B7-450FFBC4BE3C
3
Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny hianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF6C8316-0DF0-4C62-A358-3A1F93C0E1AA
4
Ary Jehovah hanao amin'ireo tahaka ny nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin'ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|388C3281-81C5-4702-B3BC-AE6B29DACE93
5
Dia hatolotr'i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12D8207B-9344-49B9-92A9-BFCC98E29677
6
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE33CB22-25B3-4E0B-9020-D03F387284C7
7
Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa hianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary hianao no hampandova azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E612D78F-9D6A-426E-9594-38493E9BC03A
8
Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|146CFC5A-D282-45A8-810C-AF4676E58FF3
9
Dia nosoratan'i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak'i Levy, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, sy ny loholon'ny Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2903E421-39C3-4729-8EC2-7729D2B02487
10
Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin'ny taom-panafahana, amin'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1350001-10C3-4F6F-8697-0B0BDB308551
11
ka avy hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan'ny Isiraely rehetra ny tenin'ity lalàna ity hihainoany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20715463-3156-450F-B7D7-6DE115AED22C
12
Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05D8FF74-2B3C-4E00-BAD1-CF2E39460995
13
Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2519EB3-FA72-44E7-9247-EF02505E6E7D
14
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana hianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11884648-8CFB-497C-926A-4043D5404301
15
Ary Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay tamin'ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay ny andri-rahona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A1ADD96-674D-492C-92E0-D84AB655D5C3
16
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin'ny razanao hianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin'ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|649D272B-AB5E-4C61-B458-1C1A65FBD29A
17
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran'Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|797F4E68-126F-431D-B9BE-31ABDBE33917
18
Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC5BB55F-8828-4946-8949-87806B402797
19
Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E90449A2-0714-436C-B81D-2E1AFEC93567
20
Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin'ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD7F17DE-4C98-4F41-AC66-90463B64D775
21
Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin'ny tany izay nianianako homena azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAB7484B-FC1A-42B8-8360-8F608B53F38F
22
Dia nosoratan'i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2BBBB64-812C-4411-A89D-6DE9FDA68C44
23
Ary Jehovah nandidy an'i Josoa, zanak'i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa hianao no hitondra ny Zanak'Isiraely hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F947180B-5A90-46BD-99F5-3E62FC718E84
24
Ary rehefa voasoratr'i Mosesy teo amin'ny boky avokoa ny tenin'ity lalàna ity,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16E75D0B-898A-47B8-8554-96E77B96C472
25
dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, izy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAE0BF42-193D-4211-A1E3-5A3B3A04602C
26
Raiso ity bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4D3E6E8-81AF-4B92-B7F8-232E3699952D
27
Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin'i Jehovah hianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43DE5F75-AF97-4370-AE0F-E0F87F4A9F21
28
Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F982FDE-6659-4799-B232-968B3DB0DD91
29
Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa hianareo ka hiala amin'ny làlana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza hianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah hianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tànanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17AE03BB-0060-441A-ACE9-FC8EF2CB6A5A
30
Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0AB7A1E-038C-47F2-8470-43ED6670A466
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany