Andininy
Protestanta Malagasy
1
Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin'ny vavako!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|638EDE1A-7DA6-431F-85DF-C7CDB6749A84
2
Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin'ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin'ny anana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F478DEA4-B24E-40A4-B01A-894D4959D523
3
Fa ny anaran'i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan'Andriamanitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCD924DA-0E77-401D-AED5-3A39791A4EEC
4
Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny làlany rehetra dia amin'ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70AA36B8-8D7C-47F1-BD44-AD69F1370083
5
Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny -- tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38B1E91A-A76F-44A5-91F2-E390D773D3B5
6
Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D449A0D2-ED26-4615-9ADD-93460875DAF3
7
Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin'ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C70C07B-BC1D-407D-9D88-D2D104F34C6C
8
Fony nomen'ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak'olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin'ireo firenena Araka ny isan'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B76F88D-18E4-45A6-9E7C-D0DA7EEB4C47
9
Fa anjaran'i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|209B1C85-E323-4277-9497-F899B3DF2D20
10
Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin'ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|541C8CD6-E482-42C7-BCC0-EAF1643D1356
11
Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin'ny elany, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCFC6F45-77D2-497A-8A12-20C226FECB19
12
Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10D6C1C0-8DC6-4579-B38C-93A05C1CBC23
13
Nampandeha azy teny ambonin'ny havoana amin'ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin'ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin'ny vatolampy afovato
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|890EE1BC-3438-417B-AAA8-ECB5130AFE69
14
Sy rononomandrin'omby sy rononon'ondry aman-osy Mbamin'ny tavin'ny zanak'ondry Sy ondrilahin'i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin'ny ran'ny voaloboka hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02E51C5F-81A7-4DDD-870E-21CA7E441ACA
15
Nihanatavy Jesorona[ Jesorona dia anaran'ny Isiraely. ] ka namely daka -- Efa matavy hianao sady vory nofo no vaventibe -- Dia nahafoy an'Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B23DA6FB-9B21-4D31-91C7-A4ABD1A4F996
16
Nampahasaro-piaro Azy tamin'ny hafa izy; Ary tamin'ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8806404A-6417-40EB-9EF7-B218A6ED3124
17
Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia[Heb. ireo tompo.] izay tsy Andriamanitra izy -- Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran'ny razanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58366603-0385-478D-91C3-43494AE3A9C3
18
Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D384711D-D4F7-4BB2-ADCB-3F390E95EC9D
19
Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin'ny zananilahy sy ny zanani-vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C921B0B-DB70-494E-A52B-12B5589CDF4E
20
Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5705A13A-D63F-4540-8CA9-1CD41DD1FCBF
21
Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin'ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin'izay firenena adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FB1B423-A15C-42C2-8593-1896F9B0AE64
22
Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako,[Heb. misy afo mirehitra amin'ny fahatezerako.] Ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3CE2EE8-7805-4171-B081-078B42536CFA
23
Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsipìkako:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1010013C-3363-4DB8-9E0A-9677528580FB
24
Hofezahin'ny mosary izy sady holanin'ny areti-mandripaka[Na: zava-mahamay.] Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran'ny Isiraely. Mbamin'ny poizin'ny biby mpikisaka amin'ny vovoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FC3A2BB-7BC6-4698-BD04-B0337194F0EB
25
Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin'ny efi-trano dia ny fampahatahorana -- Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1615A05E-CA35-4125-8C47-7C9A2E35CED2
26
Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C950DB52-7FBD-48D0-9D1F-520291834C79
27
Raha tsy ny fireharehan'[Heb. fahasosoran'.] ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tànanay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1514796-A32F-4C52-91C8-BBCCABDB6368
28
Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C8D3079-4AAA-45BE-A68A-E158ED973E12
29
Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao[Na: Raha hendry izy, dia hahalala izao.] Ka hahafantatra izay ho farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AF8297F-079B-474D-8258-3989425DF2F5
30
Hataon'ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon'ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E07AE172-3D62-437B-AC84-E4A095E87162
31
Fa tsy mba mitovy amin'ny Vatolampintsika ny vatolampin'ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB2C4049-FB4F-45D6-8C95-17C76E9343C0
32
Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok'i Sodoma Ary avy ao amin'ny sahan'i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|788BD46D-F44F-4584-A2CE-AC8F8AE77F25
33
Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin'ny dragona, Ary poizina loza avy amin'ny bibilava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AD4145F-6AFC-4576-B20E-D673E8FCAD26
34
Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5248B2F6-EC37-483E-9611-92FF43BF292B
35
Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CB3FB37-C039-4FEE-A8BF-B118421D7271
36
Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin'ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AC9114E-8FF2-4BA1-886D-DAA96A9076C8
37
Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B57B7BFC-3F23-40EA-B176-85495E386141
38
Izay nihinana ny saboran'ny fanatiny Ary nisotro ny divain'ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00BCD9DA-D1E2-4B64-9506-160ABD79DCC0
39
Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin'ny tànako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35BC3777-676D-4864-B652-DB494C72A1B3
40
Fa manangana ny tànako amin'ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1CD9BB9-5B13-46A8-A709-AE7B188D8644
41
Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain'ny tànako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBAF87AA-01EF-4685-805A-25673BFF9DE6
42
Hataoko mamon-dra ny zana-tsipìkako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran'ny voavono sy ny babo Mbamin'ny lohan'izay lehibe amin'ny fahavalo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7E2FD28-9E55-48A1-A2DD-BC256AE6D39D
43
Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony;[Na: ry jentilisa olony.] Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AB51BD2-41B9-4580-93DA-407ED15C5931
44
Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin'izany fihirana izany teo anatrehan'ny olona, dia izy sy Hosea, zanak'i Nona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6135952-9E4A-41DA-8CE0-E5AFB943DF99
45
Ary nony efa tapitra voalazan'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79590234-9082-4E12-B5D9-E8D884C5B005
46
dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08B573E3-7CE0-4554-868B-03E9E557268B
47
Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71B0DFFC-0ABF-4E72-AAEE-EDA313BE5B6D
48
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA71C273-092D-4539-A84B-57BB885C9605
49
Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin'ny tany Moaba tandrifin'i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak'Isiraely ho lovany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB5EC184-90A1-45BD-BE9B-EA8107F0A0FD
50
Dia aoka ho faty ao amin'ny tendrombohitra izay iakaranao hianao, ka ho voangona any amin'ny razanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin'ny razany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|288DDA59-441D-4AE5-9E99-9D6EC4259B46
51
satria nivadika tamiko teo amin'ny Zanak'Isiraely hianareo tao amin'ny ranon'i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin'ny Zanak'Isiraely hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|420B3E03-779F-4361-98A5-0019A24C4C95
52
Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany hianao, kanefa tsy hiditra any amin'ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BC5EE48-F69E-4C8E-B542-9D3AFF4AF004
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany