Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izao no tso-drano nataon'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79A3995F-0D3E-4C4A-90C1-D7B4044C44E6
2
Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin'ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn'afo[Na: afo manelatselatra.] ho an'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51E394C7-8214-4C72-8657-712B64684AAC
3
Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan'ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin'ny teninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59D30F3C-AFCD-4C8A-9C06-A830E6FBC087
4
Lalàna no nandidian'i Mosesy antsika Ho lovan'ny fiangonan'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC7FDDD7-8389-4496-8327-E282D5A1A5A6
5
Ary tonga mpanjakan'i Jesorona[ Jesorona dia anaran'ny Isiraely. ] Izy, Rehefa tafangona ny lehiben'ny vahoaka Sy ny firenen'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E78CD8F4-F6E3-470A-A22F-0D63AEFD9496
6
Aoka ho velona Robena, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E087C50D-9EAE-4BF0-9577-189684235DC5
7
Ary ny amin'i Joda dia izao -- hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon'i Joda, Ka ento ho amin'ny olony izy. Ny tànany no hiadiany ho azy,[Na: Aoka ho ampy azt ny tànany.] Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8CA2178-3133-4001-BC11-0148733031D0
8
Ary ny amin'i Levy dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin'ny olonao masina. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7886117-FF75-4BCF-8E06-ABCC396B1E2C
9
Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D354A3B-8403-4410-AEDC-2A0D17C32C7F
10
Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao[Heb. eo am-bavoronao.] izy Sy fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABAD8FF0-D68C-4BF2-844F-423C575DB10D
11
Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan'ny tànany; Asio mafy ny valahan'izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9E8C1BE-BADB-44B9-B3F6-9CAEC0894904
12
Ary ny amin'i Benjamina dia hoy izy: Ny malalan'i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.[Heb. hitoetra eo anelanelan'ny sorony.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6D4D613-1EE7-4631-8681-B8A198B08DE0
13
Ary ny amin'i Josefa dia hoy izy: -- Hotahin'i Jehovah anie ny taniny Amin'ny zava-tsoan'ny lanitra, dia amin'ny ando, Ary amin'ny rano lalina mamitsaka any ambany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|519667D8-28E2-4B6E-9AD3-AFB447CBA190
14
Ary amin'ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90420CFE-D889-491A-B48C-36F23E795CEF
15
Ary amin'ny zava-malaza avy amin'ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin'ny havoana mandrakizay
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D07FA107-7F2C-4A9F-AF32-2AE7FFA2142D
16
Mbamin'ny zava-tsoan'ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan'Izay nitoetra tao amin'ilay roimemy;[Heb. sene; izahao Eks. iii. 2. ] Ary aoka ho tonga eo an-dohan'i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA58E3DE-0542-4606-AA3B-D5E03886B89E
17
Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy arivoarivon'i Manase.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0609070-354F-460D-9807-2AC51CA634D9
18
Ary ny amin'i Zebolona dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin'izay alehanao, Ary hianao, ry Isakara, ao an-dainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|607DDBC3-4F38-4295-80E7-3B07245EEFB7
19
Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren'ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin'ny fasika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B1EE1EC-FAFE-45E7-9D01-9FD8E84BB5FD
20
Ary ny amin'i Gada dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an'i Gada; Mamitsaka tahaka ny liombavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin'ny tampon-doha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEF21E23-0A09-40AB-B5E9-AC1A9DD3D506
21
Nizaha izay tsara indrindra[heb. voalohany.] ho an'ny tenany izy, Fa teo ny anaran'ny mpanao lalàna no efa voatokana.[Heb. voatahiry.] Niaraka tamin'ny lohan'ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan'i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF8AAA48-542F-4773-8CA3-D0F720154F47
22
Ary ny amin'Dana dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D7B585D-6D95-41D6-BDBC-703DF8ED4548
23
Ary ny amin'i Naftaly dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian'i Jehovah, Mandovà ny andrefana[Na: ranomasina.] sy ny atsimo anie hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7656645F-2006-4248-9E91-997F5D57CC93
24
Ary ny amin'i Asera dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho[Na: hankasitrahan'.] ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin'ny diloilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83CE91FF-DD6C-4D5B-AC4B-00A56A615554
25
Ho vy sy varahina ny hidinao;[Na: kiraronao.] Ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao.[Na: Ary ho araka ny andronao ny herinao.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|396C2144-5283-453E-AF21-0C3816B54A6C
26
Ry Jesorona,[ Jesorona dia anaran'ny Isiraely. ] tsy misy tahaka an'Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin'ny voninahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD19D653-4338-4522-BD4D-A67FB28E77E2
27
Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73FEE340-5AF3-4D27-ADB8-B0112605C6EF
28
Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon'i Jakoba Ao amin'ny tany be vary sy ranomboaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E20D139-F8BD-4D61-80A2-7B639F965318
29
Sambatra hianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary hianao handia ny fitoerany avo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|012BEB66-FCBA-4690-9EE9-BE4E5281DDB3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany