Andininy Protestanta Malagasy 25 Raha miteraka sy ho loa-jafy koa hianao, ka efa nitoetra ela teo amin'ny tany hianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B71426AA-E88D-4D9D-A454-0B29B5039EB2 26 dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa hianareo tsy ho eo amin'ny tany izay alehanareo hita an'i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo hianareo, fa haringana tokoa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|912ACC1C-AD63-4A97-8EC7-E8F315CBBE5C 27 Ary Jehovah hampiely anareo any amin'ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin'ny firenen-tsamy hafa izay hitondran'i Jehovah anareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B43140-668D-48B6-AE3D-00989FA4967D 28 Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan'ny tànan'olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC864EBA-9361-4EC9-B473-B5F4B8B9622A 29 Kanefa any hianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B04E105B-7D5A-446E-83C7-CF3CDD17A854 30 Raha azom-pahoriana hianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin'i Jehovah Andriamanitrao hianao any am-parany ka hihaino ny feony; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE20992D-1D98-44B9-8E80-456FBE2B7268 31 fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny razanao, izay efa nianianany taminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5051FAB9-A516-4071-BFA2-0605F738947C
|