Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianareo ireo, sy mitandrema mba hankatô azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B83CACE-1C20-4790-8A8E-8312B9DA38F5
2
Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|096A30C6-29C4-4D31-8BBB-62D9B652558F
3
tsy tamin'ny razantsika no nanaovan'i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44207B49-67C5-41A2-B23A-03D594EFC053
4
Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35A16874-6564-4D2A-99CA-B8EC991FA377
5
Izaho nitsangana teo anelanelan'i Jehovah sy hianareo tamin'izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin'i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo hianareo ka tsy niakatra tao amin'ny tendrombohitra -- ka hoy Izy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5F4EB28-75BC-49B4-B57D-654D0FA3779E
6
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C4921AC-89DA-4462-8A12-ADDCD14B0858
7
Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DF898EC-65D6-4CF3-A1D3-5160DA5B12A9
8
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AB9002A-FB3C-4599-991B-209AE09BDD14
9
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DB614B5-92F1-4A57-8C03-D1443F870078
10
nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71C3CFCB-0CF8-41F6-99F1-A64434657159
11
Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao;[Na: Aza manonona ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao ho enti-mandainga.] fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA29D28A-1E13-463C-B2B4-C10158B60460
12
Mitandrema ny andro Sabata hanamasina azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC64CDCB-008E-4311-8839-411CD13C3EB9
13
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36A15A9D-0B14-4DEB-923A-DA681279F4A9
14
Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF9E264-DC04-4B17-8274-04622B3B181A
15
Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta hianao, ka tànana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CFB3A0D-8E01-4094-9A99-40B7A2653278
16
Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro hianao, ary mba hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2454C3BE-0B63-4F06-9270-F21948594727
17
Aza mamono olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0B3A41A-6D5C-46FF-B851-2E9843502106
18
Ary aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F9BCE95-E8EB-49BC-8B47-E084D2B130BC
19
Ireo teny ireo no nolazain'i Jehovah tamin'ny feo mahery tao amin'ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra hianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin'ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2099104E-17F8-4445-963E-17FC239EE6F1
20
Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin'ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy hianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41457454-3B0F-45BF-9649-5A19C67BF2C2
21
ka hoy hianareo: Indro, efa nampahitain'i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin'ny afo; koa efa hitantsika andro-any fa Andriamanitra miteny amin'ny olona, nefa velona ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20D97FC7-0CDC-4A55-B531-1F43F1B5D862
22
Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon'i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74C58384-CA87-4521-BEE8-2FE4569C5723
23
Fa iza moa tamin'ny nofo rehetra no efa nandre ny feon'Andriamanitra velona niteny tao afovoan'ny afo, tahaka antsika, ka velona ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66D7CB17-CBD8-4E0B-B145-30C75662D9CA
24
Manatôna hianao, ka mihainoa izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika; ary hianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|672DEA24-ED6D-493D-9B85-2CDF6DD0196E
25
Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko hianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin'ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D60DDFA8-FFC3-45E4-82CC-EE992D3CAD4B
26
Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9FEBEB1-76E4-4CF7-A9CF-59AA813ACF37
27
Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|856C340D-B9E5-4DED-94F2-58ABA1DCF519
28
Fa hianao kosa dia mijanona eto anilako, ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin'ny tany izay omeko azy ho lovany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4965B91-C627-48A4-A635-3C0261ADF762
29
Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62837CD4-F9DF-4E46-BD77-1D2EE0D327F5
30
fa ny làlana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona hianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ACC06D0-0476-4F69-A7CE-98D2A6819750
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany