Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D6DE9D8-A325-40BD-B97A-C6DCF1ABEB78
2
mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao -- dia hianao sy ny zanakao ary ny zafinao -- amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|743A9115-E2A4-431B-A7B7-8CAE6A86E1A4
3
Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa hianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao -- dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D55B66B0-1AB3-4AC3-A004-2551A9C1FE19
4
Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.[Na: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitra, Jehovah dia iray ihany.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3519E462-B00D-48EE-B3B2-DF6641ECED1C
5
Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A96DE0E-A25D-4BE3-B4CE-6A28FEEE08CE
6
Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F89F467-3DF3-4037-B7B9-8912A9E941D5
7
Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AE867E1-7357-4354-85FA-DDABD7EC85F7
8
ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tànanao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao,[Heb. eo ambonin'ny elanela-masonao.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A05271D1-11E4-4CC4-AA2F-E1DA0B74FC26
9
ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4A531D8-F8DB-45A3-A2F9-BF13EB09019A
10
Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao hianao ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F2A75E0-02B9-4AF7-B6A7-886FB4D816E5
11
sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana hianao ka voky,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|800240B1-230C-4BAA-9B9C-366CBB387E5A
12
dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEA1813F-5B2E-4ED7-907F-CAC9C86D850E
13
Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao hianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C91715E-ECE6-42A5-918A-FB607A2C930D
14
Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82C9D215-E5EC-42AA-857B-5712DD0C423A
15
fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|353A6B77-D691-4120-AF70-A4ED45F53B04
16
Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8D92AE1-EBBF-4EC7-8F1D-C8CD5FC230D4
17
Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1656512-5ABB-454E-9549-93507C22DE09
18
Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa hianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0628B83E-1FEB-49F6-8F30-2E3DCCA5D302
19
ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8414763-18C3-481E-8047-E8168276F4D9
20
Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83A48CD6-1AFB-4D5B-A034-D8ABEBEDC7AD
21
Dia holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tànana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAD442BB-8804-4428-A480-5D4E784DDD8F
22
Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68B38D2B-75D3-4D2A-BCA4-2C74D1729373
23
Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin'ny razantsika homena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE1E0A11-7FFA-4245-A544-9B0E80735478
24
Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B1B22EF-867A-4283-864D-CC7B0F61C113
25
Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EE0371F-58F5-475F-9396-856975702F7D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany