Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka tafiditra any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15FD7A64-4497-41AA-9E5B-6B0ABA4DF4B1
2
ary rehefa voatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano[Heb. ataovy herema.] mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05EF20B3-9398-4C65-A680-8A66550C3475
3
ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin'ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin'ny zanakao-lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B222235-E3CD-45BC-9652-982812F8DBDB
4
Fa hampiala ny zanakao-lahy amin'ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ka handringana anao vetivety Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BDAF6BB-B703-4B8F-B97C-61C4124A8B82
5
Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany[ Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny. ] hokapainao, ary ny sarin-avatra voasokitra hodoranao amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62FB8562-5B11-4B66-9155-B588CD82D260
6
Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao hianao; fa hianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D252717-D7A7-4452-BDAD-2BC9ADC7E6D5
7
Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa hianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53C82A7E-572F-4CE1-86E4-11D4FD10B6E4
8
fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah anareo tamin'ny tànana mahery sy nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana dia tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23B084E3-D4C2-449A-A43C-F33F193F86E0
9
Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00CEF36B-96FC-4EEA-88F4-D7F611F985C4
10
ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8274109B-879A-428D-8074-0E1117A76A4E
11
Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88629381-BFBE-45A0-9A2F-7E82325EB874
12
Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin'ny razanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDE242D2-1A9D-4AF3-9055-406739EE4089
13
dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razanao homena anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77098EA0-2C9D-495C-9673-246795F635BD
14
Hotahina hianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na hianareo na ny biby fiompinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|962C406F-B494-4373-B798-5FA94D597C73
15
Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina hianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80B2A7AA-03B1-4530-9086-BA93AC30685A
16
Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1270A80-8DAE-4BEC-B8F6-90BE263BE47A
17
Raha hianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A4C15CB-A924-4A8F-BEE4-D52A766D31BF
18
dia aza matahotra azy hianao; fa tsarovy tsara izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1F3A5ED-F738-4211-BBA2-DE9EFBA0461B
19
dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tànana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3C96C73-10DB-40DF-A59B-17E13FB33197
20
Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin'i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan'izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FAF927B-A516-4316-9F8F-3D598A580B9D
21
Aza matahotra azy hianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBBBF619-2D97-4617-9E5D-0426DBA78928
22
Ary horoahin'i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana hianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D75E6660-7096-4BCF-9BB0-96F16380AC53
23
Fa hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1506EB06-D0B6-4E21-9CEE-94F5DF78284B
24
Dia hatolony eo an-tànanao tsy ho re intsony aty ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C7702C9-9D05-45AF-9D08-AB9F6FBA40CF
25
Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin'ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny hianao, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3442784-FBF0-4F2F-A0ED-F2845C0D999D
26
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona[Heb. herema.] tahaka izany koa hianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.[Heb. herema.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CC2F682-CA6F-4B29-AF3B-DE3B3A07233B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany