Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona hianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|156B4366-EA79-4DB3-BF5B-693782E0CC73
2
Ary tsarovy ny làlana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny hianao, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7807815C-979B-4B3C-80E0-A2D3C76EA280
3
Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B602DAA-0740-4687-8C48-FEE842E8ECF7
4
Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CEF4572-6B69-410B-ACEE-1136174C4BDC
5
Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34D1E560-5AC9-43AF-A19C-49B0D93B9BB4
6
Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny làlany sy hatahoranao Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19C7CB3A-4594-41B7-8D17-047395BD663A
7
Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|235EFBD4-C749-419B-9781-0CED0CBB061F
8
tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02AC7A5C-FB96-4B3C-AEBC-8B2FA91885AF
9
tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo hianao, -- tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68F18B13-0381-4782-ADF2-73142137A310
10
Ary rehefa nihinana hianao ka voky ary misaotra an'i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4344867E-FEB7-4421-85B2-859645CAC8FC
11
dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01158E72-83DD-4DCD-B26E-233307095D54
12
fandrao -- rehefa nihinana hianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EBE60A6-3254-4887-8B13-709BC7F81649
13
ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman-osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B1E1C6D-969F-47B6-940E-EDEDCCCFF8F2
14
dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65AE99B6-A9F8-4D13-A61E-24CC6D1E8E26
15
Izay nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran'afo[Heb. sarafa.] sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A694F214-0695-48EB-9772-7B232C1CF965
16
Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E83B4B1-818C-4F09-9E7F-7BDE829E7E01
17
ary andrao hianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tànako no nahavoriako izao harena izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53EE9A3D-5562-482E-8A97-E371B9F7DD3F
18
fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C4229CE-1A8B-4088-8059-5AA7668DCD0D
19
Fa raha manadino an'i Jehovah Andriamanitrao mihitsy hianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa hianareo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25016070-3166-40BF-A1BF-77847B45A0F6
20
tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|945B99EE-0FAC-4564-BC98-E1D67EF56CC3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany