Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa ren'i Adoni-Zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'i Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B234B93-E52C-4FB4-B3E0-E7C75B4453F6
2
dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona, tahaka ny anankiray amin'ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB3C99A5-5C08-44B5-8CAD-3616873DD01C
3
Dia naniraka olona Adoni-Zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, ho any amin'i Hohama, mpanjakan'i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan'i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary Debira, mpanjakan'i Eglona, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0912ED0-E1DC-4886-B9F0-462C05DBBA02
4
Miakara aty amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F686C4F6-9931-466A-81C8-E27DB26C3C79
5
Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin'ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin'i Gibeona ka namely azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF996CBE-0DE0-4B53-BD7A-41E27CA3ED11
6
Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tànanao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho aty aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita izay monina any amin'ny tany havoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97C573C4-E216-49B5-B141-DB894E83BF94
7
Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93AA8A9A-AC3B-4F96-A98F-BA1EC99E09CD
8
Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tànanao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40473D92-10B4-4CF8-B5D3-866AF8726579
9
Ary tonga tampoka tamin'ireo Josoa; fa nanao lava alina avy tany Gilgala izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9CE7D44-19F6-42D0-B885-72589F1B6054
10
Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|566198D0-AA7B-4222-873C-630A88C4531E
11
Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DD278FF-BC60-45AA-AC35-D0FED13A0BD8
12
Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanôna eo ambonin'i Gibeona; Ary, hianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46D3546A-1C2E-4A5D-A712-51FF1C7BADDB
13
Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso nilentika tokony ho indray andro maninjitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A5820AE-6AE0-41E9-9A72-6BA1C9FB80F0
14
Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'ny olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB3748C9-09FD-483D-8300-B09A23918EF8
15
Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F15FE3A8-B849-4BB1-8F49-613D3D25A0D7
16
Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin'ilay zohy tany Makeda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2538EA2-7159-4C2A-9DD0-A5310DE8F236
17
Dia nolazaina tamin'i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AECE14F1-C61A-4367-866B-D278E4B76165
18
Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36EA66A4-7A81-436A-887C-498220221983
19
fa hianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodilàlana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tànanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A9F7A4A-65B0-4A5C-A456-B83126E659B0
20
Ary rehefa voaringan'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin'ny tanàna mimanda,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE759519-C9A5-410D-B73A-6F6C74F97367
21
dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C10FF6F7-C78C-4314-9DCB-F3E1C9B91682
22
Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan'ny zohy; ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankaty amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6586C231-B94F-4907-AEE5-336CFD7E20BF
23
Dia nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A16B6BD-42C1-4F4F-87B7-7EA04081402E
24
Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatôna, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58AE410D-E6FD-4A9C-8B7B-4E4F6D9C0FE6
25
Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy mahatanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A87A911-4593-4FAB-8B1A-B6FE9DD48C95
26
Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin'ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin'ny hazo izy mandra-paharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3E97BA4-9D65-4142-AB3E-593C6B0B7DCA
27
Ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny varavaran'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE42AA8F-5A85-4DD8-8C77-1C0F8FA8B5AE
28
Ary Makeda dia afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00899F8B-9426-4B95-8338-6564F6536DF7
29
Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AD4DA58-44C6-4782-BE2E-FDE280A6B5C8
30
dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy mbamin'ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko no nataony tamin'ny mpanjakany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|659AB216-94EE-49DD-928A-6B8B0C2F892F
31
Ary niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C50B11AA-4B3A-4EBF-B448-9E022CFC226D
32
Dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin'ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Libna koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86AC5A02-9065-4599-8BF5-63C114C9A32F
33
Dia niakatra Horama, mpanjakan'i Gazera, hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E92343BB-040B-4D0F-9F07-234679F9E2DD
34
Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44666253-FFC6-4C40-90D4-50A5619E1442
35
dia afany tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Lakisy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F132E78D-5645-4708-84C5-7AF93723D950
36
Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F90AC3F-BCF5-4868-9AB6-AA534CB9BE1C
37
dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43B3081D-AEFE-417B-B97F-170E4DDCA11F
38
Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|742EF23C-20AC-43AA-99A4-53CE268598E2
39
dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy; ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nisy niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55669BC9-D18A-4B92-91AB-E8ECD5B5D3A0
40
Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any am-bodin'ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CEE04D3-EE4A-4F3E-9545-D504B0212908
41
Dia nasian'i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra ka hatrany Gibeona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F535E67-5048-45E5-A1C9-104EBF0F5D32
42
Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C37781B-5726-4010-A2F4-F28BB369CFCC
43
Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C98E0CD-DD63-4B20-83B4-8ABCB626AF25
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany